airtel

Fandriampahalemana

10-juin-2024

FENERIVE-EST

Tovovavy iray naolana tovolahy miisa 4

Sample post image

Tovovavy kely iray vao 13 taona monja no fantatra fa tratry ny fanolanana faobe tany Maroakakanga Fenerive Est

10-juin-2024

afak’omaly Sabotsy 08 Jona. Raha araka ny fantatra dia sendra irery teny an-tokontany io tovovavy kely io. Tsy fantatra izay fomba nahitan’ireo tovolahy azy fa avy hatrany dia nosarihiny ka nanaovany an-keriny tao ilay zaza. Miisa 4 izy ireo no indray nanampatra ny filany tamin’izany. Ny sasany nitazona ilay tovovavy kely, ny sasany nanao ny nataony ary dia nifandimby tahaka izany hatrany izy ireo mandrapahavitan’ny filany hoy ny loharanom-baovao azo. Potika tanteraka vokatr’izany ny fahadiovan’ ilay tovovavy kely. Olona sendra nandalo no nahare ny tarainany ka namonjy azy niaraka tamin’ny fianakaviany nanatitra azy tany amin’ny hopitaly. Efa misokatra moa ny fanadihadiana mikasika ity raharaha ity. Ahiahian’ny maro ny mety hidiran’ireo tovolahy kely mpanao herisetra sy mpanakorontana any an-toerana amin’izao raharaha fanolanana faobe izao. Efa misokatra ny fanadihadiana.
Pati
Legende : Vao 13 taona koa ity tovovavy kely dia efa tratry ny fanolanana !
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nahitam- bokatra ny ady amin'ny asan-jiolahy hataon'ny Polisim-pirenena .

Card image cap
24-juil-2024

Volabe mitentina 3.800.000 Ariary no lasan’ny tovolahy iray 19 taona izay mpiasa an-trano,

Card image cap
24-juil-2024

Lehilahy iray nambaran’ny havany fa handeha haka fanafody tany amin’ny toeram-pitsaboana

Card image cap