Saika isaky ny faritra mihitsy izany ho an’ny Boriborintany tsirairay avy eto Antananarivo renivohitra ka 300 Ar monja dia efa mandray mpikotrana iray ny ivon-toerana tsy ara-dalàna iray. Saika ireo tovolahy tsy an’asa araka izany no mikotraka sy miofana amin’izy ireny manantena ny mba hahita asa mifandraika amin’izany. Rehefa tena mandeha eny anefa ny fotoana, tsy mahita asa izy ireo ka mivadika ho zavatra hafa izany. Lasa ampiharin’izy ireo amin’ny asa fanendahana olona miaraka amin’ny antsy maranitra….izany fikotranana nataony izany, any amin’ny toerana misy azy ireo avy. Raha araka ny fanazavan’ny lehiben’ny Boriborintany iray dia tokony handraisana fepetra mihitsy ireny ivon-toerana ireny miaraka amin’ny ivon-toeram-pilokana tsy ara-dalàna fa tena mampirongatra ny tsy fandriampahalemana eto an-drenivohitra. Ankoatra izay hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity dia manaratsy endrika ireo ivon-toeram-pikotranana ara-dalana ihany koa ny fisian’izy ireny. Manomboka eo amin’ny faha-15 taonany moa dia efa manao izany ireo zatovolahy kely manana 300 Ar eto an-drenivohitra, fikotranana tsy mitaky na inona na inona fa tena gaboraraka tokoa.
Pati
Legende : Hampiharin’ireo mpikotraka tsy ara-dalana amin’ny fanendahana…ny fiofanana ratovony amin’izao
Nahatratra 45 isa tato anatin’ny 5 volana voalohany ny isan’ireo zaza very
Mpamaky trano iray no tratra tao ambany fandriana tany Miadamanjaka,
Ramatoa 52 taona monina ao Ambodilazana, Toamasina II, no nisy nanolana ny alahady teo,
Tsy mitombina intsony ny sain’ny olom-pirenena manoloana ny firongatry ny tsy
Nongotan’ireo jiolahy ny karakara vy na “grille de protection” tamin’ny
Nitrangana vono olona feno habibiana tany Ambakaka, distrikan’Ikongo ny Alarobia 14 May lasa teo.