airtel

Fandriampahalemana

14-août-2026

Fonjaben'i Vatomandry

Tafapetraka ofisialy ny Lehiben'ny fonja

Sample post image

Notanterahana omaly 13

14-août-2026

aogositra 2026 ny fametrahana ny Lehiben'ny fonjaben'i Vatomandry vaovao Éducateur Spécialisé d’Administration Pénitentiaire Ramarsonarivo Mahery Nirina, izay voatendry ny 10 aogositra 2026, araka ny didim-pitondrana laharana 280, navoakan'ny Minisiteran'ny Fitsarana. Namafisin'ny fitanana an-tsoratra N°45-MJ/SG/DGAP/DAFP/SPP.26, ary efa samy nahazo fampahafantarana na "notification" ny teo aloha sy ny vaovao. Nanatrika izany ny solontenan'ny DGAP na ny Tale Jeneralin'ny fandraharahana ny fonja, ny solontenan'ny Fari-piadidian'ny Fandraharahana ny Fonja na ny DRAP Atsinanana, ny avy amin'ny sendikan'ny mpandraharahan'ny fonja eto Madagasikara na ny SPAPM, ireo mpandraharahan'ny fonja miasa ao an-toerana, ary ny vadin-tany nanamarina sy nirakitra ny pitsopitsony rehetra amin'ny maha raharaham-panjakana azy. Ny fonjaben'i Vatomandry izay misy gadra manodidina ny 500 isa eo. Marihina fa nitana andraikitra lehibe teo anivon'ny fandraharahana ny Fonja Atoa Ramarsonarivo Mahery Nirina nialohan'ny nanendrena azy: efa lefitry ny Lehiben'ny fonjan'i Nosy Be sy Moramanga, lefitry ny Talen'ny fonjaben'i Tsiafahy, ary Talen'ny fonjaben'i Tsiafahy, izay midika fa olona voky traikefa sy tsy atoro voanjo hadiana amin'ny fitantanana ny fandraharahana ny fonja eto Madagasikara. Naneho ny fahavononany hiara-hiasa amin'ny Lehiben'ny fonja vaovao ireo mpandraharahan'ny fonja.
Toky R
 

Dans la même rubrique

11-sept-2026

Tambazotra iray ravan'ny Zandary, olona 5 voasambotra

Card image cap
11-sept-2026

ny afera Kolonely Patrick…

Card image cap
11-sept-2026

Mandoa ra, simba tanteraka...votsotra ilay mpanolana

Card image cap
11-sept-2026

Olona 3 naiditra am-ponja tao Sambava

Card image cap
10-sept-2026

tontolo izao i Madagasikara

Card image cap