nangalarin'olona ny 01 desambra lasa teo teny Soamanatombo Antananarivo renivohitra. Nitaky vola mitentina 700.000 Ar ho sandan'ny famotsorana na famerenana io zaza io tamin'ny alalan'ny someso, ireo mpangala-jaza.Taorian'ny vela-pandrika natao ny 04 desambra teo anefa dia tratra ny harivan'io ihany ny Ramatoa iray 32 taona, izay monina ao amin'ny fokontany Atalata, kaominina ambanivohitra Ampanefy sy distrikan’ Antananarivo Atsimondrano niaraka tamin’ilay zaza. Nandritra ny famotorana savaranon'ando natao azy no nilazan'ilay Ramatoa fa nokasaina hamidy tamin'olona hafa ilay zaza.Marihina fa misy Rtoa iray hafa 26 taona, izay noahiahin'ny fianakaviana ho mpiray tsikombakomba tamin'ity raharaha ity, noho ny filazany ampitson'ny nahaverezan’ilay zaza fa hitany ny misy io tsy manan-tsiny io. Nanampy izany ny fahafantaran'izy ireo fa efa nisy tranga nahavoarohirohy an'ity Ramatoa faharoa ity tany aloha tany mahakasika hala-jaza. Ankoatra izany, zazavavy kely vao 12 taona ihany koa no fantatra sy ahiahiana fa anisan'ny niaraka nahavanona ity hala-jaza ity.Naverina tamin'ny Ray aman-dReniny teo anatrehan'Andriamatoa hajaina Solombavambahoaka voafidy tao Antananarivo Atsimondrano sy ny iraka manokana avy tamin'Andrimatoa Filoham-pirenena mivady ary ireo fianakaviany ilay zaza, ny harivan'io ihany.
Pati
Legende : Ity ilay zaza very efa eo am-pelatanan’ny Ray aman-dReniny ! Ireto kosa izy mirahavavy mpangala-jaza !
Tsy mitombina intsony ny sain’ny olom-pirenena manoloana ny firongatry ny tsy
Nongotan’ireo jiolahy ny karakara vy na “grille de protection” tamin’ny
Nitrangana vono olona feno habibiana tany Ambakaka, distrikan’Ikongo ny Alarobia 14 May lasa teo.
Lehilahy iray no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Paositry ny Polisy etsy Ampefiloha
Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra
Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey