airtel

Fandriampahalemana

30-janv-2024

Halatra sy fitazonana an-keriny

Teratany Egyptianina miisa 5 no nosamborina

Sample post image

Voasambotry ny Polisy misahana ny ady heloka bevava sakelika fahatelo Anosy teny

30-janv-2024

amin’ny 67ha sy Mandrosoa Ivato ny tera-tany Egyptianina miisa 5 ny 22 sy 23 janoary lasa teo rehefa niditra an-keriny tao an-tananan’olona sy nanao fitazomana an-keriny ary nangalatra. Naharay fitoriana ity Sakelika ity ny 22 janoary teo mahakasika io tranga voalaza etsy ambony io ka ireo teratany Egyptianina mpanao varotra mitety trano no voalaza fa tompon’antoka. Fantatra moa fa tokantrano teny Anosizato sy Andranomena no niharan’izany ny 21 janoary 2024 teo. Miditra an-keriny ao amin’ilay tanana izy ireo ary maka ireo zavatra lafo vidy toy ny tele ary vola. Nanao ny fikarohana ireo Polisy tamin’ny alalan’ny fanarahan-dia ka voasambotra tenyamin’ny 67 ha ny roa ny 22 janoary teo. Tsikaritra fa eny Mandrosoa Ivato ireo namany hafa.Ny 23 janoaray 2024 dia nisy noho izany ny fidinana ifotony natao ka raikitra ny fisamborana ka nandray fiara ary nandositra izy ireo. Raikitra ny fifanenjehana ka tratra ny telo raha tafaporitsaka ireo dimy hafa. Marihina fa namaly no sady nidaroka ireo Polisy nanao fanamiana moa izy ireo nandritra ny fisamborana. Maro ihany koa ireo fitoriana voaray mahakasika ireto teratany vahiny ireto.Efa tsy manan-kery ary tapitra ny fe-potoanan’ ny taratasy hahafahan’izy ireo mijanona eto Madagasikara. Natolotra ny fampanoavana ny 26 Janoary lasa teo izy ireo.
Pati
Legende : Ireto ireo teratany Egyptiana miisa 5 tsy maintsy nosamborina !
 

Dans la même rubrique

20-mai-2025

Nahatratra 45 isa tato anatin’ny 5 volana voalohany ny isan’ireo zaza very

Card image cap
20-mai-2025

Mpamaky trano iray no tratra tao ambany fandriana tany Miadamanjaka,

Card image cap
20-mai-2025

Ramatoa 52 taona monina ao Ambodilazana, Toamasina II, no nisy nanolana ny alahady teo,

Card image cap
19-mai-2025

Tsy mitombina intsony ny sain’ny olom-pirenena manoloana ny firongatry ny tsy

Card image cap
19-mai-2025

Nongotan’ireo jiolahy ny karakara vy na “grille de protection” tamin’ny

Card image cap
19-mai-2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tany Ambakaka, distrikan’Ikongo ny Alarobia 14 May lasa teo.

Card image cap