Mpianatra avy nianatra indray no nendahina olona telolahy ny 04 febroary teo tokony ho tamin’ny 06 ora sy fahefany hariva tao Tanambao Verrerie. Niaraka tamin’ny antsy maranitra ireto mpanendaka ireto nandritra izany izay marihina fa mbola tsy ampy taona ny roa. Niezaka nitsoaka ihany ireto farany nandritra izany fa tsy lasa lavitra dia voasambotry ny polisy. Mbola tratra teny amin'izy ireo koa ny finday maromaro izay avy nendahiny ary nanambara ny talen'ity sekoly ity fa mety an'ireto mpianatra izay avy nanaovany ny asa ratsiny ireto izany. Rehefa nanontaniana izy ireo dia nanaiky fa avy nangalariny ireto finday ary teo koa no nahafantarana fa vao 19 taona monja no zokiny indrindra amin’izy ireo. Natolotra avy hatrany ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona ny raharaha hanohizana ny fanadihadiana.
Pati
Legende : Ireto ireo andiana ankizy mpanendaka ao Toamasina
Nahatratra 45 isa tato anatin’ny 5 volana voalohany ny isan’ireo zaza very
Mpamaky trano iray no tratra tao ambany fandriana tany Miadamanjaka,
Ramatoa 52 taona monina ao Ambodilazana, Toamasina II, no nisy nanolana ny alahady teo,
Tsy mitombina intsony ny sain’ny olom-pirenena manoloana ny firongatry ny tsy
Nongotan’ireo jiolahy ny karakara vy na “grille de protection” tamin’ny
Nitrangana vono olona feno habibiana tany Ambakaka, distrikan’Ikongo ny Alarobia 14 May lasa teo.