airtel

Fandriampahalemana

24-juil-2023

Fandriampahalemana

Jiolahy nanafika ny rahalahiny Nokatsanan’ilay tompon-trano ny rantsan-tananany havia roa

Sample post image

Tsy milamina intsony ny fandriampahalemana eto amintsika. Mifanafika hatramin’ny mpirahalahy iraitampo noho ny fahantrana sy ny fahasahiranana.

24-juil-2023

Jiolahy iray no tratra nihanika ny tambohon-drahalahiny tao Analankinina Hopitalibe-Toamasina, ny alatsinainy teo. Nandritra ny ora-nikija sy fahatapahan’ny herinaratry ny Jirama no nanaovany izany. Miaramila miasa ao Toamasina ihany anefa io rahalahiny saika hotafihiny io. Naheno zavatra hafahafa nianjera tany ivelan’ny trano ity farany nandritra izany ka nivoaka haingana. Hatairana ny azy raha nahita ilay iraitampo aminy nihanika ny tamboho niditra tao an-tanànany. Nosamboriny avy hatrany ity farany ka nokatsanany tamin’ny antsy ny rantsan-tanany havia miisa roa. Nalefany nivoaka ny vavahady taorian’izany. Nambaran’ny tompon-trano moa fa efa matetika izy no vaky trano sy very entana. Anisan’ireo entana efa very tao an-trano ohatra ny moto sy valizy feno lamba, finday avo lenta ….Na izany aza dia niteraka korontana teo amin’ny fianakaviana ity tranga ity. Lasa vesatra ho an’ny anabaviny mantsy ilay jiolahy noho ny fahatapahan’ny ratsan-tanany roa izay mbola tsaboina any amin’ny hopitaly ka raikitra ny disadisa sy ny fifanomezan-tsiny.
(Sary fanehoana)
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

20-mai-2025

Nahatratra 45 isa tato anatin’ny 5 volana voalohany ny isan’ireo zaza very

Card image cap
20-mai-2025

Mpamaky trano iray no tratra tao ambany fandriana tany Miadamanjaka,

Card image cap
20-mai-2025

Ramatoa 52 taona monina ao Ambodilazana, Toamasina II, no nisy nanolana ny alahady teo,

Card image cap
19-mai-2025

Tsy mitombina intsony ny sain’ny olom-pirenena manoloana ny firongatry ny tsy

Card image cap
19-mai-2025

Nongotan’ireo jiolahy ny karakara vy na “grille de protection” tamin’ny

Card image cap
19-mai-2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tany Ambakaka, distrikan’Ikongo ny Alarobia 14 May lasa teo.

Card image cap