noho ny fisian’ireo mpanendaka sy mpamono olona izay marihina fa efa nanafaka aina iray mihitsy andro vitsivitsy lasa izay toy ny nitranga tao Ambohimahitsy. Tsy nitazam-potsiny Rakotondrabe Mamy kaomandin’ny zandarimariam-pirenena ao an-toerana noho izany fa nangataka fiaraha-miasa tamin’ireo ekipa namany hahafahana miady amin’izany tsy fandriampahalemana izany. Fantatra ary fa tonga manampy sy manatevin-daharana ao amin’izy ireo ny ekipan’Ankadilalana izay marihina fa efa manana traikefa manokana ihany koa. Mifanampy sy mifanome vaovao mandritra izany ny kartie mobila, ny sefom-pokontany ary ireo olona eny ifotony. Raha araka ny loharanom-baovao azo moa dia anisan’ny mampirongatra sy mampahazo vahana ny tsy fandriampahalemana ao Alasora ny fodorohan’ireo tanora ao an-toerana zava-mahadomelina ka mampanaotao foana azy ireo. Toraka izany koa ny fitomboan’ireo toerana filokana sy fanaovana karaoke….izay anisan’ny ivon-toerana iray hikononkononan’ireo tanora hiketrehany asa ratsy ihany koa.
Pati
(Sary fanehoana)
Tsy mitombina intsony ny sain’ny olom-pirenena manoloana ny firongatry ny tsy
Nongotan’ireo jiolahy ny karakara vy na “grille de protection” tamin’ny
Nitrangana vono olona feno habibiana tany Ambakaka, distrikan’Ikongo ny Alarobia 14 May lasa teo.
Lehilahy iray no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Paositry ny Polisy etsy Ampefiloha
Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra
Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey