Ankazobe ary Andramasina no nahazoana io vokatra io, ka nandritra ny fifandonan’ireo olon-dratsy tamin’ny mpitandro filaminana no tena nahalavo ireo tsy mataho-tody. Miisa telo kosa ny naratra tao anatin’izany. Momba ny asan-dahalo, trangana halatr’omby miisa 21 no hita, raha 26 ny taona 2021, ary olona miisa 54 kosa no voasambotra tamin’iny taon-dasa 2022 iny. Miisa 7 kosa ny raharaha fakana an-keriny, raha 15 tamin'ny taona 2021, ka nahatonga ny fisamborana olona miisa 155 tamin’izany. Tamin’ireo omby miisa 1389 nanaovana fisavana, 81 no nogiazina ary olona miisa 39 no voasambotra tamin’ny resaka famotsiana omby tsy ara-dalàna. Nisy 12 kg ny taolam-paty sarona. Nahitam-bokany ihany koa ny resaka ady amin’ny trafikana harena sarobidy: vatosoa sy vato sarobidy milanja 17208 kg, (Agathe , quartz rose, beryl, cristal, Gabbro, quartz fume, Améthyste, triphane) no sarona. Ho an’ny ady amin’ny zava-mahadomelina: rongony milanja 89, 577 kg sarona. Bolabolana hazo voamboana miisa 12 ihany koa no tratra. Nisy ihanyy koa ny fahatrarana milina fanotana vola sandoka miisa 5 sy vola sandoka misanda 1.260.000 ariary, ary miampy fahatratrarana sy fanagiazana basy tsy ara-dalàna miisa 29, araka ny tatitra navoakan’ny Kaompania Imerina Centrale hatrany.
Toky R
Tsy mitombina intsony ny sain’ny olom-pirenena manoloana ny firongatry ny tsy
Nongotan’ireo jiolahy ny karakara vy na “grille de protection” tamin’ny
Nitrangana vono olona feno habibiana tany Ambakaka, distrikan’Ikongo ny Alarobia 14 May lasa teo.
Lehilahy iray no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Paositry ny Polisy etsy Ampefiloha
Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra
Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey