airtel

Fandriampahalemana

17-janv-2023

Fandriampahalemana

Kidnapping, fanafihana mitam-piadiana,… 29 taona ny fihenan-tsazin’i Djaffar Younouss

Sample post image

Nandeha ny resaka fa anisan’ireo anaty lisitry ny mpisitraka fampihenan-tsazy avy amin’ny Filoham-pirenena ho an’ity taona vaovao ity i Djaffar Younouss,

17-janv-2023

izay nalaza tamin’ny raharaha kidnapping, fanafihana mitam-piadiana,… tany amin’ny 20 taona lasa tany ho any. Taorian’ny fanamarinana avy amin’ny mpisolovavan’ireo isan’ny lasibatra sy teny amin’ny fonja, dia tsy marina io, hoy ny loharanom-baovao. Tsy isan’ireo misitraka fanalefahan-tsazy izy noho ny antony maro. Tsy isan’ireo mahazo an’io mantsy ny olona tazonina am-ponja noho ny zava-doza toy ny « kidnapping », ny asa fampihorohoroana, ny fanohintohinana ny filaminana anatin’ny firenena. Na izany aza, voalaza fa hahazo fahafahana manomboka ny martsa 2023 i Djaffar Younnous noho ny fihenan’ny saziny. Ny taona 2005 izy no voaheloka voalohany noho ny raharaha kidnapping, ka 20 taona ny saziny. Ny 10 febroary 2005 no voasambotra ary nandositra ny 19 martsa 2005. Nidoboka am-ponja nanao asa an-terivozona teny Antanimora indray ny 2008,… Voaheloka 10 taona indray ny 2012 ka raharaha fanafihana mitam-piadiana indray no nanenjehana azy, fotoana nigadrany tao Antanimora io, saingy voalaza fa nisy fivoahana noho ny tsikombakomba tamin’ny mpiambina. Nohelohina 10 taona vaovao indray ny taona 2014. Mbola tratry ny fanamelohana 7 taona indray ny taona 2017 noho ny raharaha “kidnapping” kanefa tany am-ponja tamin’io. Raha hatambatra, mahatratra 47 taona ny sazy voalaza fa tokony hohefainy. Ny taona 2018 anefa dia nanao fampiakarana ny raharaha nanamelohana azy I Djaffar Younnous, ka nahazo fihenana 25 taona, araka ny didin’ny Fitsarana misahana ny heloka bevava, izany hoe: ny 2027 izy no mivoaka ny fonja raha raisina amin’io. Voalaza fa nanao fampiakarana vaovao indray ny taona 2022, ka nahazo fampihenana 4 taona indray, ka mahatonga an’io hoe: amin’ny volana martsa 2023 io no mety hivoaka. Tsy tafiditra tao anatin’ny fanalefahan-tsazy avy amin’ny Filoham-pirenena noho izany ny fivoahany, fa noho ny fampiakarana samihafa nataony. Misy ny ahiahy mandeha eo anatrehan’ilay fahazoana fihenan-tsazy hatrany amin’ny 29 taona, ary mandeha amin’izao fotoana izao ny fijerena akaiky ireo dingana nahazoany izany, hoy ny loharanom-baovao. Raharaha isan’ny nahasaringotra an’i Djaffar moa ny HEMTALAL, Zahid ASGARALY, Pradeep CHANDARANA, DEEP Joshi, Nahid MERALLY BALLOU, Navage VELDJEE, , Abdoul Aziz MANSOUR, CAROMAD, Kalidas,… Misy sahady ny mihorohoro sy matahotra valifaty. Mandeha kosa ny fijerena akaiky ny raharaha ka asa izay hiafarany na ho tafavoaka I Djaffar na zavatra hafa no hiseho satria ny Fitsarana no tompon’ny teny farany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Tranga niseho tamiko ny alahady teo izy ty ka tantaraiko eto mba hitandreman’ny rehetra amin'ny manaraka,

Card image cap
23-avril-2024

raha ny fampitam-baovao voaray. Nofitahiny ilay vehivavy ary nentiny tany ambanin'ny CEG Soamalaza,

Card image cap
23-avril-2024

Nifanehatra tamin'ireo zandary nanao fisafoana tao Ambohimilemaka kaominina Mahitsy

Card image cap
23-avril-2024

Vehivavy no tompon-dakan’ny halatra finday any amin’ny distrikan’Ihosy.

Card image cap
22-avril-2024

Miha mahery vaika indray ny fanafihana sy fakana an-keriny any amin’ny Distrikan’Ankazobe.

Card image cap
22-avril-2024

Tratran’ny fokonolona teo am-panambatambazana ary nikasa ny hitondra sy hangalatra zazavavy kely

Card image cap