Mitombo isa hatrany mantsy ireo vahoaka sahirana sy tsy an’asa hany ka tsy manan-katao afa-tsy ny handripaka ny mpiara-belona aminy izy ireny. Lehilahy iray manodidina ny 32 taona ny faran’ny herinandro teo no niantsoan'ny 𝐕𝐨𝐧𝐝𝐫𝐨n-𝐭𝐨𝐛𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐢𝐨𝐟𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐧𝐨𝐤𝐚𝐧𝐚 (CFS) IVATO ny zandarin'Ankadindravola, tokony ho tamin’ny 08 ora maraina. Nampiahiahy mantsy ny fihetsik’izy io ka notazomina nanaovana fanadihadiana avy hatrany izy.Nandritra ny fanadihadiana no nibabohany fa nikasa hanendaka teny amin'ny manodidina izy rehefa avy nangalatra bisikileta teny Ivato vao maraim-be. Tsy vitan'izany fa nibaboka koa izy fa mbola nangalatra finday Android marque GOME teny amin’ny 67ha ihany koa tamin’ny faran’ny herinandro teo ihany. Rehefa nohamarinina ihany koa ny momba azy dia fantatra fa mpamerin-keloka ralehilahy.
Pati
Legende : Nobatain’ilay ranamana tahaka izao ilay bisikileta avy nangalariny !
Nahatratra 45 isa tato anatin’ny 5 volana voalohany ny isan’ireo zaza very
Mpamaky trano iray no tratra tao ambany fandriana tany Miadamanjaka,
Ramatoa 52 taona monina ao Ambodilazana, Toamasina II, no nisy nanolana ny alahady teo,
Tsy mitombina intsony ny sain’ny olom-pirenena manoloana ny firongatry ny tsy
Nongotan’ireo jiolahy ny karakara vy na “grille de protection” tamin’ny
Nitrangana vono olona feno habibiana tany Ambakaka, distrikan’Ikongo ny Alarobia 14 May lasa teo.