airtel

Fandriampahalemana

17-nov-2025

Mafampana ao Toliara

$Tovolahy nolazaina

Sample post image

nangalatra volabe notifirina ankitsirano

17-nov-2025

Mafampana ao Toliara noho ny fisiana tovolahy iray voalaza fa maty voatifitry ny mpitandro filaminana tany ny sabotsy teo. Raha ny filazan'ny fianakaviana dia tsy nisy « mandat d'arrêt » na « mandat de perquisition » kanefa notifirina tany an-tranony ilay tovolahy. Ny ren'ny fianakaviana fotsiny dia hoe: nohampangaina fa nangalatra volan'i Adjoint (180 millions) io lehilahy notifirina afak'omaly tokony ho tamin'ny 4 ora tolakandro io. Maty tsy nisy famotorana sy fitsaràna, hoy izy ireo. Nirodorodo manoloana ny Commissariat central de Police Bazar Toliara ny fokonolona ary avy ao Mahavatse I, maneho ny hatezerany. Mitaky fanazavana amin'i Adjoint Commissaire izay ambaran'izy ireo fa nitifitr'olona ny vahoaka. Nentina tany amin'ny tranom-paty ny vatana mangatsiakan'ilay olona raha ny vaovao omaly. Nisy ny fandaminana sy fampitononiana ny toe-draharaha nataon'ny ny mpitandro filaminana ka tsy mbola nisy fanazavana ofisialy azon'izy ireo nomena avy hatrany, raha ny vaovao omaly. Andrasana ny tohiny...
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-avril-2026

Mangataka "postes budgétaires" sy

Card image cap
28-avril-2026

Mety hitana ny sain’ny maro ny

Card image cap
27-avril-2026

Voaroba ny 73 tapitrisa Ar,

Card image cap
27-avril-2026

Nahitana razana tsy nisy loha

Card image cap
27-avril-2026

Lehilahy iray 21 taona malaza

Card image cap