airtel

Fandriampahalemana

11-avril-2023

Fandriampahalemana

Mahajanga Mirongatra an-tanàn-dehibe ny fanafihana

Sample post image

Miha sarotra ny toe-draharaha sy ny fiainana ao an-drenivohitr’i Boeny amin’izao fotoana satria : mirongatra izay tsy izy ny fahantrana,

11-avril-2023

tsy misy ny famoronana asa sy famokarana, maro ireo orin’asa no nanakatom-baravarana.
Mirongatra ho azy ny tsy fandriam-pahalemana noho izany, ary efa tena mahasahy mihitsy ireo jiolahy satria dia nisy mihitsy ny fampilazana azo avy amin’ny mpanafika fa ho avy mafonja amin’iny faritra Amborovy iny. Tahaka ny fanaon’ireo dahalo any amin’ny faritra atsimon’ny nosy iny izany fomba fiasa izany saingy tsy hoe any ambanivohitra lavitra fa ao Mahajanga tanàna.
Lasa misy « couvre feux » na tsy fahafahana mifamezivezy amin’ny alina tampoka ; izany hoe manomboka amin’ny 10 ora alina ka hatramin’ny 5 ora maraina, tahaka ny efa nitranga ihany koa tany Ambatondrazaka izay efa tena mampimenomenona ny olona.Lasa manaratsy endrika sy laza ny tanàna ny zavatra tahaka izany ; maro ireo mpizahatany tsy tonga any intsony. Maika miha sahirana ny tanàna, satria mihena be ny vola azo avy amin’ny fizahantany ; na ireo mpivarotra isan-tsokajiny eny amin’ny « plage » aza dia efa mipenopenona mihitsy ary vaky vava fa mafy ity mahazo ity fa tena tsy miditra ny vola, na dia vanim-potoana fialan-tsasatra aza izao. Fa ity koa no mbola loza iray hafa : potika tanteraka ny lalam-pirenena faha 4 (RN4) niverina tahaka ny tamin’ny taona ‘90 hany ka vitsy dia vitsy no sahy mandeha aminy . Ny arabe feno lavaka, ny tetezana misy manongotra ny arofanina sy izay vy rehetra eo aminy. Tena izao ve sisa no niafaran’ilay Mahajanga kanto sy milamina ary madio ery, hoy ny raim-pianakaviana iray tena vaky fo nahita ny zavamisy raha sendra nandalo tany tamin’n faran’ny herinandro iny. Mampametra-panontaniana hoe fa manao inona ny ao amin’ny faritra tarihin’ny governora, f’angaha tsy misy mpiasa intsony ao amin’ny kaominin’i Mahajanga renivohitra, fa aiza ny mpitandro filaminana ? Sa miandry inona vao hiasa.

Nangonin’i RTT

 

Dans la même rubrique

20-mai-2025

Nahatratra 45 isa tato anatin’ny 5 volana voalohany ny isan’ireo zaza very

Card image cap
20-mai-2025

Mpamaky trano iray no tratra tao ambany fandriana tany Miadamanjaka,

Card image cap
20-mai-2025

Ramatoa 52 taona monina ao Ambodilazana, Toamasina II, no nisy nanolana ny alahady teo,

Card image cap
19-mai-2025

Tsy mitombina intsony ny sain’ny olom-pirenena manoloana ny firongatry ny tsy

Card image cap
19-mai-2025

Nongotan’ireo jiolahy ny karakara vy na “grille de protection” tamin’ny

Card image cap
19-mai-2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tany Ambakaka, distrikan’Ikongo ny Alarobia 14 May lasa teo.

Card image cap