fa manameloka ny herisetra sy fihetsika feno habibiana izay namoizana ain’olona miisa 32. Maneho fiaraha-miory amin’ny fianankavian’ny maty rehetra ary mitondra ny teny fampiononana avy amin-janahary ho an’ny mponina rehetra ao Ambolotarakely, hoy izy ireo. Mirary fahasitranana aingana ho an’ireo izay mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly. Mampirisika sy mankahery ireo mpitandro ny filaminana sy ny fokonolona izay manatanteraka ny asany amin’ny fikarohana sy fisamborana ireo nahavanon-doza, indrindra, ireo atidoha nikotrika. Manasa ny fitsaràna hampihatra am-pahamarinana ny lalàna mifanandrify amin’ny heloka vitan’ireo rehetra tafiditra tamin’iny raharaha iny mba ahafahana mamerina indray ny fahatokisan’ny olompirenena malagasy ny fitsaràna sy ahafahana miady amin’ny tsy fandriam-pahalemana, hoy hatrany ny MMM.
J. Mirija
Legende: Ny filohan’ny MMM, Hajo Andrianainarivelo
Nahatratra 45 isa tato anatin’ny 5 volana voalohany ny isan’ireo zaza very
Mpamaky trano iray no tratra tao ambany fandriana tany Miadamanjaka,
Ramatoa 52 taona monina ao Ambodilazana, Toamasina II, no nisy nanolana ny alahady teo,
Tsy mitombina intsony ny sain’ny olom-pirenena manoloana ny firongatry ny tsy
Nongotan’ireo jiolahy ny karakara vy na “grille de protection” tamin’ny
Nitrangana vono olona feno habibiana tany Ambakaka, distrikan’Ikongo ny Alarobia 14 May lasa teo.