airtel

Fandriampahalemana

03-août-2023

Fandriampahalemana

Mampiditra 30 000 Ar isan’andro Mirongatra ny halatra Cyclo-pousse ao Toamasina

Sample post image

Fotoanan’ny fialan-tsasatra lehibe izao. Betsaka ireo olona avy eto an-drenivohitra no miondrana mankany amin’ny faritra mba haka rivotra toy ny hita ao Toamasina sy Mahajanga ao.

03-août-2023

Mikarama fatratra noho izany ny cyclo-pousse sy ny bajaj. Mampiditra 30.000 Ar isan’andro ny cyclo-pousse iray raha kely ankoatra ny vola entin’ny mpamily mody any amin’ny vady aman-janany. Tsy vitsy ireo miketrika mba hanana azy ireny noho izany, antony manosika ny sasany hangalatra. Lehilahy iray 29 taona no voasambotry Polisy tao Tanambao V Toamasina afak’omaly Talata 01 aogositra tokony tamin'ny 12 ora rehefa nangalatra cyclo-pousse. Polisy nanao fisafoana teny an-toerana no naheno fokonolona niantsoantso fa misy mpangalatra cyclo-pousse saika hitondra izany avy hatrany hitsoaka. Niroso tamin'ny fisamborana avy hatrany ny Polisy ka tra-tehaka tamin’izany ity lehilahy ity. Noentina avy hatrany teny amin'ny biraon'ny polisy izy ho fiarovana ny ainy raha hiakatra fitsarana anio Alakamisy kosa ny raharaha. Efa misy tambajotra mihitsy moa ny mpangalatra cyclo-pousse ao Toamasina ao.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay ranamana tratra nangalatra cyclo-pousse
 

Dans la même rubrique

19-mai-2025

Tsy mitombina intsony ny sain’ny olom-pirenena manoloana ny firongatry ny tsy

Card image cap
19-mai-2025

Nongotan’ireo jiolahy ny karakara vy na “grille de protection” tamin’ny

Card image cap
19-mai-2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tany Ambakaka, distrikan’Ikongo ny Alarobia 14 May lasa teo.

Card image cap
19-mai-2025

Lehilahy iray no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Paositry ny Polisy etsy Ampefiloha

Card image cap
16-mai-2025

Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra

Card image cap
16-mai-2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey

Card image cap