airtel

Fandriampahalemana

28-mars-2024

Fandriampahalemana

Ministry ny Filaminam-bahoaka Nidina ifotony teny amin’ireo faritra mena

Sample post image

Nidina ifotony teny anivon'ireo Fokontany miisa telo eto an-drenivohitra ny

28-mars-2024

Minisitry ny Filaminam-bahoaka ny Contrôleur Général de Police Rakotoarimanana Herilala sy ireo mpiara miasa akaiky aminy omaly Alarobia 27 Martsa.Nihaona tamin'ny mponina sy ireo tompon’andraikitra eo anivon'ny Fokontany Ambodirano Ampefiloha, Fokontany Anatihazo Isotry ary Fokontany Andranomanalina Centre ny tenany . Tanjona hamafisana ny fitokisan'ny vahoaka amin'ny Polisim-pirenena izay vonona hatrany hiaro sy hanampy azy ireo. Nanambara ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka fa manana andraikitra ihany koa ny vahoaka amin'ny fitandroana ny filaminana ary ilaina ny fiaraha-miasa akaiky eo amin'ny roa tonta. Izany dia mifototra amin'ny fanabeazana ny mponina mba hanaja ny lalàna sy ny fandaminana . Nanentana ny vahoaka ny Minisitra mba hifanome tanana amin'ny Polisim-pirenena amin'ny fanomezam-baovao ka hiantso avy hatrany raha vao misy trangana fandikan-dalàna. Ity fidinana ity moa dia tafiditra ihany koa amin'ny fanokafana ny hetsika Sarika ataon'ny Polisim-pirenena manerana ny Nosy izay haharitra 15 andro. Hifototra amin'ny ady amin'ny zava-mahadomelina sy ny ady amin'ny herisetra ary ny asan-jiolahy izany hetsika izany. Anatin'ity hetsika ity ihany koa no hanamafisana ny hitandroana ny filaminana mandritra ny fetin'ny Paska 2024.
Pati Legende : Nandritra ny fidinana ifotony notanterahin’ny Ministra sy ny ekipany omaly !
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nahitam- bokatra ny ady amin'ny asan-jiolahy hataon'ny Polisim-pirenena .

Card image cap
24-juil-2024

Volabe mitentina 3.800.000 Ariary no lasan’ny tovolahy iray 19 taona izay mpiasa an-trano,

Card image cap
24-juil-2024

Lehilahy iray nambaran’ny havany fa handeha haka fanafody tany amin’ny toeram-pitsaboana

Card image cap