airtel

Fandriampahalemana

12-sept-2023

Mirado zaza15 taona, nirahina nividy kafe

Hita faty omaly, olona efa nigadra no namono azy

Sample post image

Omaly vao hita ny vatana mangatsiakan’i Mirado, ilay tovolahy kely vao 15 taona monja nirahina nividy kafe kinanjo

12-sept-2023

nanaovan’ny sasany teti-dratsy ka tsy namelany raha tsy afaka ny ainy. Ny 02 Septambra lasa teo izy raha tsiahivina no nirahina nividy kafe tokony ho tamin’ny 02 ora folakandro, tao amin’ny kaominina ambanivohitra Antanetibe Mahazaza ao Mahitsy. Tsy niverina intsony anefa ny anaolahy. Rehefa nandeha ny fikarohana dia nahazo antso tamin’ny finday ny Ray aman-dRenin’i Mirado izay nitaky vola mitentina 1.500.000 Ar tamin’izy ireo raha te-hahita an-janany velona. Indrisy anefa fa teny amin'ny tendrombohitra Tsiankaranosy, kaominina ambanivohitra Antanetibe Mahazaza no novonoin’ireo tsy mataho-tody ilay zaza. Rehefa nanokatra fanadihadiana ny zandary miasa ao amin'ny Poste Avancé Mahazaza sy ny borigadin’i Mahitsy dia lehilahy iray vao avy namita sazy nandritra ny 15 taona tany Antanimora no tratra ary fantatra fatompon'antoka tamin'izao raharaha izao. Niaiky ny heloka vitany izy ary hatolotra ny fitsarana Anosy afaka rahampitso Alarobia.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay lehilahy namono an’i Mirado !
 

Dans la même rubrique

19-mai-2025

Tsy mitombina intsony ny sain’ny olom-pirenena manoloana ny firongatry ny tsy

Card image cap
19-mai-2025

Nongotan’ireo jiolahy ny karakara vy na “grille de protection” tamin’ny

Card image cap
19-mai-2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tany Ambakaka, distrikan’Ikongo ny Alarobia 14 May lasa teo.

Card image cap
19-mai-2025

Lehilahy iray no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Paositry ny Polisy etsy Ampefiloha

Card image cap
16-mai-2025

Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra

Card image cap
16-mai-2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey

Card image cap