Nitondra moto nandeha nivavaka ity lehilahy iray ny 17 desambra 2022, napetrany teo amin’ny Parking ilay moto. Rehefa nivoaka handeha hamonjy toeram-pivavahana anefa izy dia nahatrikaritra fa tsy teo amin’ny fitoerany tsony ilay moto-ny. Nametraka fitarainana sy fitoriana teny amin’ny Polisy avy hatrany izy. Nilazany koa ireo fianakaviany noho izao fahaverezan’ny moto-ny izao. Tazan’ireo fianakaviany teny Antanimena ilay moto halatra saingy tsy tratran’izy ireo tsony rehefa handeha hijery izany izy ireo. Ny zoma 23 desambra 2022 tokony tamin’ny 10 ora maraina kosa dia tazan’ilay tompona moto teny Analakely ilay motoany very ka noraisim-potsiny ilay lehilahy iray nitondra azy. Noentina avy hatrany teny amin’ny Polisy tao Tsaralalana ity farany ka nilaza fa moto novidiany ity moto halatra ity. Novidiany tamin’ny olona iray tanana aminy ihany ka 1.900.000 Ar ka efa nandraisan’ilay mpivarotra 1.200.000 Ar. Natorony avy hatrany ilay olona nivarotra azy ilay moto ka tratra tao Soavimasoandro ilay lehilahy . Tamin’ny fanadihadiana natao azy dia nilaza ihany koa izy fa moto novidiany ity namidiny ity ka 1.200.000 Ar no nividianany azy ary olona nandalo no nividianany izany. Natolotra ny fampanoavana omaly izy roalahy ka naiditra am-ponja vonjimaika ihany koa mba hisaintsaina ny zava-bitany aloha.
Légende : Nampidirina am-ponja vonjimaika izy roalahy voarohirohy tamin’ilay raharaha varotra moto halatra
Nangonin’i Pati
Jiolahy 3 lahy nitondra basy sy antsy no nanafika sy nandroba toeram-pivarotana fitaovana fanamboarana trano na
Tena efa tsy mifidy harapaka intsony ireo jiolahy ankehitriny. Jiolahy miisa 3 no indray nanafika tokantrano iray tao Antanetibe