airtel

Fandriampahalemana

25-oct-2022

Fandriampahalemana

Moto nangalarina tao an-tsekoly Mpangalatra efa karohina fatratra no nahatrarana azy

Sample post image

Tovolahy iray 22 taona no nosamborin’ny Polisin’ny Brigade féminine de Proximité tao Toamasina ny 21 oktobra teo tokony ho tamin’ny 04ora hariva rehefa tratra nangalatra moto tao amina sekoly iray.

25-oct-2022

Moto nipetraka tao amin’ny toeram-piantsonana tao amin’ny Ecole Notre Dame de Lourde ao Toamasiana izy io raha araka ny loharanom-baovao azo no nangalarin’ity tovolahy ity. Tazan’ny tompony nanosika io moto io ity farany ka niantso ny Polisin’ny BFP izay niasa tsy lavitra teo ity farany. Nosamborina avy hatrany ilay ranamana nanoloana izany. Rehefa natao ny fanadihadiana mikasika azy dia fantatra fa efa fanaony izao asa ratsy izao ary efa karohin’ny mpitandro ny filaminana any an-toerana fatratra izy.
Nangonin’i Pati
Legende : Ilay ranamana sy ilay moto nangalariny
 

Dans la même rubrique

19-mai-2025

Tsy mitombina intsony ny sain’ny olom-pirenena manoloana ny firongatry ny tsy

Card image cap
19-mai-2025

Nongotan’ireo jiolahy ny karakara vy na “grille de protection” tamin’ny

Card image cap
19-mai-2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tany Ambakaka, distrikan’Ikongo ny Alarobia 14 May lasa teo.

Card image cap
19-mai-2025

Lehilahy iray no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Paositry ny Polisy etsy Ampefiloha

Card image cap
16-mai-2025

Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra

Card image cap
16-mai-2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey

Card image cap