Frédéric Marimoutou 62 taona maty norobaina sady nisy nanindrona zava-maranitra ny tendany ny ny faran’ny herinandro teo. Nisy nandroba ny vola tao anaty poketrany, tsy tany aminy intsony ny findainy. Mbola teny aminy ny bracelet, ny peratra mariaziny, mbola teny aminy ihany koa ny pasipaorony,… Talohan'ny nahitana azy dia nisakafo tao amin'ny trano fisakafoanana iray i Frédéric Marimoutou. Ny hariva dia voalaza fa hita tao amin’ny trano fisotroana iray, 500 metatra avy teo amin’ny toerana nahitana ny fatiny, tamin'ny lálana mankany amin'ny hopitaly Morafeno Toamasina efa tsy nisy aina intsony, ora vitsivitsy taorian’izay, tokony ho tamin’ny 2 ora maraina, ny alatsinainy 19 aogositra lasa teo, raha ny tsiahivina. Raha ny fanampim-baovao, mpandraharaha efa tena nonina ela teto izy io, nanangana orinasa mpanondrana voankazo efa 17 taona. Voalaza fa nikasa hody any La Réunion amin’ny volana oktobra ka mety izay no nifofoana ny ainy nakana ny volany, ary karazan’ny efa narahi-maso niainga tany an-tranony, raha ny fanamarihana. Efa mandeha ny fanadihadiana. Manaratsy endrika hatrany an’i Madagasikara ny tahaka izao satria sady mety hampihemotra ireo te hampiasa vola no mampihemotra ihany koa ny mpizahatany, kanefa isika mieritreritra hanatratra mpizahatany 1000 000 ao anatin’ny 3 na 4 taona,…
Toky R
Nahatratra 45 isa tato anatin’ny 5 volana voalohany ny isan’ireo zaza very
Mpamaky trano iray no tratra tao ambany fandriana tany Miadamanjaka,
Ramatoa 52 taona monina ao Ambodilazana, Toamasina II, no nisy nanolana ny alahady teo,
Tsy mitombina intsony ny sain’ny olom-pirenena manoloana ny firongatry ny tsy
Nongotan’ireo jiolahy ny karakara vy na “grille de protection” tamin’ny
Nitrangana vono olona feno habibiana tany Ambakaka, distrikan’Ikongo ny Alarobia 14 May lasa teo.