Nisahotaka ny fokonolon'Analanjahana Fokontanin'Androkaroka kaominina ambonivohitr'i Manararaotra ny marainan'ny 28 martsa teo. Nahatratra tovolahy iray nangalatra mantsy izy ireo izay nahatrarana entana halatra. Mahatsiaro ho sahirana loatra amin'ny fiatrehana ny fihainana mantsy ny tsirairay nefa mbola manao ny hataony ihany ireo mpangalatra. Niharan'ny fitsaram- bahoaka ilay lehilahy noho izany izay vao 32 taona monja. Ny sasany namely ny lohany. Ny sasany nikapoka ny tongony raha tsy vitsy ihany koa ireo nanala ny akanjony. Raha vantany vao nahare izany ny polisy dia tonga namonjy azy ka nitondra azy tany amin'ny mpitsabo. Somary voa mafy ihany moa ny lehilahy noho ny hatezeram-bahoaka nihatra taminy saingy tsy misy ahiana ny ainy hoy ny vaovao. Tsiahivina hatrany fa melohin'ny lalana ny fanaovana fitsaram- bahoaka. Eo an-daniny ihany koa anefa dia tokony ho tonga saina ireo.mpitandro ny filaminana sy ny eo anivon'ny fitsarana hanasazy ireo mpambotry fa tsy sanatria mifonja indray andro izy ireny dia miverina mirihariva eny anivon'ny fiaraha-monina indray.
Nangonin'i Pâti
Nahatratra 45 isa tato anatin’ny 5 volana voalohany ny isan’ireo zaza very
Mpamaky trano iray no tratra tao ambany fandriana tany Miadamanjaka,
Ramatoa 52 taona monina ao Ambodilazana, Toamasina II, no nisy nanolana ny alahady teo,
Tsy mitombina intsony ny sain’ny olom-pirenena manoloana ny firongatry ny tsy
Nongotan’ireo jiolahy ny karakara vy na “grille de protection” tamin’ny
Nitrangana vono olona feno habibiana tany Ambakaka, distrikan’Ikongo ny Alarobia 14 May lasa teo.