airtel

Fandriampahalemana

17-août-2026

Mpiandry omby hita faty

Notapahana sy nentin'ireo

Sample post image

olon-dratsy ny lohany

17-août-2026

Zava-doza no nitranga tao amin’ny Kaominina Ambanivohitr’i Malaimbandy, Faritra Menabe afak'omaly Sabotsy 15 Aogositra alina . Tovolahy iray mpiandry omby no nisy namono tamin'ny fomba feno habibiana ka notapahin'ireo tsy mataho-tody ny lohany ary nentiny. Tokony ho tamin’ny 9 ora alina tany ho any no nitrangan’izany teny amin’ny lalana mankany amin’ny sampanan-dalana Tsirangoty (Manapanda) hoy ny vaovao azo. Efa tonga eo anivon'ny fianakaviana moa ny razana, raha efa misokatra ihany koa ny fanadihadiana. Mihorohoro indray ireo mponina any amin'ny faritra Menabe vokatr'izany. Efa mba nilamindamina mantsy tao ho ao ny resaka fisiana jiolahy mpanapa-doha tany an-toerana saingy izao miverina izao indray. Miantso ireo tompon'andraiki-panjakana isan-tsokajiny araka izany izy ireo mba hanamafy ny fepetra efa noraisina ho fiarovana ny ain'ny vahoaka sy ny fananany. Tafiditra ao anatin'izany ny fanentanana ny isam-batan'olona mba tsy handeha irery, indrindra raha vantany vao maizimaizina ny andro. Tsy mbola hita moa ny lohan'ilay mpiandry omby hatramin'ny omaly hariva fotoana nanoratanay.

Nangonin'i Pati

Légende : Ilay tovolahy namoy ny ainy !
 

Dans la même rubrique

14-août-2026

nataon-dreniny sorona ilay zaza...

Card image cap