fankalazana ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona izao. Hiasa andro aman’alina izy ireo ka ankoatra ny fitsirihana ireo karazana elakelan-trano dia fantatra fa nampitomboana ihany koa ireo mpanao fisafoana amin’ny alina. Tsy latsa-danja amin’ireo ny fitiliana ireo fiara miditra sy mivoaka eto an-drenivohitra na amin’ny lafiny ara-teknika izany na ara-taratasy. Hohetsehina avokoa na ny polisy na ny zandary raha araka ny fanazavan’ny lehiben’izy ireo raha anisan’ny tanjona hokendrena kosa ny hahafahan’ny mponin’Antananarivo renivohitra manao fety sambatra ao anatin’ny filaminana sy fitoniana. Tsiahivina moa fa fotoana tena fanararaotan’ireo mpanao ratsy ny vanim-potoana tahaka izao. Hataony ripaka hatramin’ny lamba miahy eny amin’ny tady raha vantany vao mangingina ny tanana. Tsy lazaina intsony ny andron’ny sasak’alina sy ny faran’ny taona fivoahan’ny isan-tokantrano mankany am-piangonana…ka ilana fitandremana sy ny fanohanan’ny mpitandro ny filaminana.
Pati
Legende : Tsy hitsitsy ireo tratra manararaotra ny mpiara-belona tahaka izao ny mpitandro ny filaminana !
Tsy mitombina intsony ny sain’ny olom-pirenena manoloana ny firongatry ny tsy
Nongotan’ireo jiolahy ny karakara vy na “grille de protection” tamin’ny
Nitrangana vono olona feno habibiana tany Ambakaka, distrikan’Ikongo ny Alarobia 14 May lasa teo.
Lehilahy iray no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Paositry ny Polisy etsy Ampefiloha
Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra
Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey