Nolazain-dramatoa fa nisy naka an-keriny ilay rangahy, hoy ny fanazavana. Niafina tao ambony rihana nandritra ny 3 andro anefa ny anao lahy. Naelin-dramatoa tany amin’ny fianakaviana fa mitaky 11 tapitrisa Ariary ireo jiolahy raha tiana ho votsotra ny vadiny. Nikoropaka tokoa ny fianakaviana ary nandefa M'vola 7 tapitrisa ariary. Tamin'ny laharan'ilay rangahy ihany no nalefa ny vola ary teo no naha lasa saina ireo fianakaviana. Rehefa nandeha, noho izany, ny fanadihadiana dia tratran'ny zandary Ankazobe izao ihany izy mivady saika hivarotra saka be loha sy nanao mpamosavy malemy tamin’ny fianakaviany ireto, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany. Tranga sady mahatsikaiky no mahasosotra nefa mampiheritreritra ihany koa, hoy ny mpanara-baovao.
J. Mirija
Tsy mitombina intsony ny sain’ny olom-pirenena manoloana ny firongatry ny tsy
Nongotan’ireo jiolahy ny karakara vy na “grille de protection” tamin’ny
Nitrangana vono olona feno habibiana tany Ambakaka, distrikan’Ikongo ny Alarobia 14 May lasa teo.
Lehilahy iray no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Paositry ny Polisy etsy Ampefiloha
Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra
Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey