airtel

Fandriampahalemana

23-juin-2023

Fandriampahalemana

Mpivarotra heroine Ny nivoahana ny fonja no ela dia tratra indray

Sample post image

Roalahy 22 sy 21 taona, no voasambotry ny polisy misahana ny ady amin'ny zava-mahadomelina tetsy Anosy ny 20 Jona lasa teo teny amin'ny faritra "Ampandrana Est " rehefa nifoka sy nivarotra héroïne.

23-juin-2023

Mitohy hatrany ny asa ataon'ny sampan-draharaha miady amin'ny zava-mahadomelina ao amin'ny polisim-pirenena manoloana ny fiparitahan'ireny zava-mahadomelina ireny. Araka izany dia nahazo vaovao marim-pototra avy amin'ny olon-tsara sitrapo ny teo anivon'ny STUP, manambara fa misy olona mivarotra zava-mahadomelina mahery vaika eny amin'ny faritra Ampandrana iny. Niroso nanao ny fidinana ifotony ny polisy tao anatin'izany nanao ny fanamarinana sy ny vela-pandrika rehetra. Nandritra izany no nahatrarana azy roalahy ireto. Rehefa natao ny fisavana ity lehilahy ity dia nahita "héroïne" milanja 10 grama teny aminy, araka ny fanadihadiana natao taminy dia sady mifoka izy no mivarotra ary alainy 250.000 Ar io 10 g io ka hamidiny 300.000 Ar izany. Tsy nijanona hatreo anefa ny fisavana natao fa noentina niditra tany amin'ny tranony ity lehilahy ity, ka teo ihany koa no nahatrarana lehilahy iray 21 taona izay nahitana fonosana héroïne 28,5 grama sy fitaovana fifohana zava-mahadomelina. Efa nigadra momba ny resaka fivarotana héroïne ity farany tamin’ny taona 2014 ary vao nivaokan'ny fonja ihany ny 15 Jona teo noho ny resaka fivarotana zava-mahadomelina ihany. Marihina moa fa mpivarotra ambogadiny izy roalahy ireto ary tsy mandefa afa-tsy 10g no ambany indrindra amin'ny héroïne hamidiny . Niakatra fampanoavana omaly izy ireo ary naiditra am-ponja vonjimaika.
Pati
Legende : Ireto ry zalahy miaraka amin’ireo heroine namidiny
 

Dans la même rubrique

20-mai-2025

Nahatratra 45 isa tato anatin’ny 5 volana voalohany ny isan’ireo zaza very

Card image cap
20-mai-2025

Mpamaky trano iray no tratra tao ambany fandriana tany Miadamanjaka,

Card image cap
20-mai-2025

Ramatoa 52 taona monina ao Ambodilazana, Toamasina II, no nisy nanolana ny alahady teo,

Card image cap
19-mai-2025

Tsy mitombina intsony ny sain’ny olom-pirenena manoloana ny firongatry ny tsy

Card image cap
19-mai-2025

Nongotan’ireo jiolahy ny karakara vy na “grille de protection” tamin’ny

Card image cap
19-mai-2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tany Ambakaka, distrikan’Ikongo ny Alarobia 14 May lasa teo.

Card image cap