Olona tsara sitrapo no nanome vaovao ny mpitandro ny filaminana ka nahafantarana fa efa nifonja ity lehilahy ity. Resaka fivarotan-drongony ihany no nahavoa azy tamin’izany. Rehefa nosavaina tao aminy dia mbola nahatratrana rongony 14 fonosana indray. Toraka izany koa ny lehilahy iray 35 taona izay tratra teny Ivanja Ambohitsoa teny. Fonosan-drongony milanja 26,200 grama no tratra teny aminy izay haparitany amin’ireo faritra lalovany ihany koa. Araka ny voalazan'izy ireo dia misy mamatsy rongony isan-kerinandro ao an-tranony izy ireo. Vidina 60.000 Ar ny lehibe iray ary tsinjarainy anaty fonosana avy eo. Mahavita fonosana 40 eo ho eo izany ary hamidin'izy ireo 2.000 Ar ny fonosana iray. Natolotra ny fampanoavana omaly moa izy roalahy ireto ary naiditra am-ponja vonjimaika indray.
Pati
Legende : Ireto izy roalahy mpamatsy rongony sy ireo rongony hamidiny
Nahatratra 45 isa tato anatin’ny 5 volana voalohany ny isan’ireo zaza very
Mpamaky trano iray no tratra tao ambany fandriana tany Miadamanjaka,
Ramatoa 52 taona monina ao Ambodilazana, Toamasina II, no nisy nanolana ny alahady teo,
Tsy mitombina intsony ny sain’ny olom-pirenena manoloana ny firongatry ny tsy
Nongotan’ireo jiolahy ny karakara vy na “grille de protection” tamin’ny
Nitrangana vono olona feno habibiana tany Ambakaka, distrikan’Ikongo ny Alarobia 14 May lasa teo.