airtel

Fandriampahalemana

28-févr-2024

Nisavoritaka ny

mponin’Andranonahoatra Nisy nahita ilay biby mpihinana biby fiompy…

Sample post image

Tsy mijanona amin’ny faritra iray intsony fa efa saika miparitaka manerana ny Nosy

28-févr-2024

mihitsy ilay biby voalaza fa mivoaka amin’ny alina ary mitroka rana biby fiompy eto amintsika. Taorian’Alasora Avaradrano dia nisavoritaka indray ny mponin’Ambohikely Avatra, kaominina Andranonahoatra, distrikan’ Atsimondrano afak’omaly Alatsinainy 26 Febroary alina nanomboka tamin’ny 09 ora teo ho eo. Raha araka ny fanadihadiana natao dia lehilahy iray nanao maloto tamin’ny tata-drano no nodinganin’io biby io avy any an-damosiny. Avy hatrany dia nalemy ny tongotr’itsy voalohany vokatr’izany saingy mba nahatsoka kirioka ihany ny tenany raha araka ny fanazavany. Tsy tapaka kirioka mantsy eny an-tendan’ity lehilahy ity rehefa mivoaka alina izy. Nivoaka avokoa ny fokonolona nanoloana izany ka tsy vitsy ireo mbola nahita ilay biby. Raha araka ny fanazavan’ireto farany dia mitovy endrika amin’ny liom-bavy izy io. Menamasobe no sady be volony be ary mandeha mafy dia mafy tokoa no sady tsy iray monja. Vetivety izy dia nanjavona vokatr’izany na dia efa nodidinina tovolahy maromaro aza, ireto farany izay nanapa-kevitra fa hanao fiambenana isan-kalina manomboka izao. Tsiahivina moa fa tamin’ny faran’ny herinandro teo dia toerana fiompiana biby fiompy iray tao Ambohikely Avaratra Itaosy no nataon’io biby io nahita faisana ireo gana sy akoho tao anatiny. Saika tapaka avokoa ny tendany sy ny lohan’ireto farany noho izany, biby fiompy saika havoaka mialohan’ny fetin’ny Paska.
Pati
Sary fanehoana

 

Dans la même rubrique

20-mai-2025

Nahatratra 45 isa tato anatin’ny 5 volana voalohany ny isan’ireo zaza very

Card image cap
20-mai-2025

Mpamaky trano iray no tratra tao ambany fandriana tany Miadamanjaka,

Card image cap
20-mai-2025

Ramatoa 52 taona monina ao Ambodilazana, Toamasina II, no nisy nanolana ny alahady teo,

Card image cap
19-mai-2025

Tsy mitombina intsony ny sain’ny olom-pirenena manoloana ny firongatry ny tsy

Card image cap
19-mai-2025

Nongotan’ireo jiolahy ny karakara vy na “grille de protection” tamin’ny

Card image cap
19-mai-2025

Nitrangana vono olona feno habibiana tany Ambakaka, distrikan’Ikongo ny Alarobia 14 May lasa teo.

Card image cap