Harantin’ireo mpanao ratsy hatramin’ny antsy namonoany ilay olona mihitsy, toy ny nahazo an’iRemamohitsy, lehilahy iray 47 taona fantatra ny maro amin’ny anarana hoe : Abou . Tamin’ny Sabotsy teo no hita tany anaty ala tao Djamanjary Nosy Be ny nofo mangatsiakany. Karazan’irony efa nampijaliana fatratra irony, hoy ny vaovao. Ny Alakamisy alina izy no niala tao an-tokantranony raha ny filazan’ireo fianakaviany. Mbola salama tsara tsy nanana olana izy nandritra izany. Tsy niverina intsony anefa izy fa olona sendra nahatadidy ny akanjo nanaovany no nampandre ireo fianakaviany saingy rehefa nojerena ny razana dia efa tsy nisy lohany intsony ihany koa. Mbola hita teo amin’ilay toerana namonoana azy moa ilay antsy feno ra nanapahana ny loha ary mbola hita niaraka taminy ihany koa ny findainy.Vaovao farany voaray omaly moa ny hoe : efa misy ireo olona ahiahiana mikasika ity raharaha ity koa andrasana izay mety ho tohiny. Ahiana hampihena ireo mpiala sasatra hiazo an’i Nosy-Be moa ity trangana tsy fandriampahalemana miseho any an-toerana ity.
Nangonin’i Pati
Legende : Niaraka tamin’ny antsy tahaka izao no hita ny nofo mangatsiakan-dRatompokolahy !
Tsy mitombina intsony ny sain’ny olom-pirenena manoloana ny firongatry ny tsy
Nongotan’ireo jiolahy ny karakara vy na “grille de protection” tamin’ny
Nitrangana vono olona feno habibiana tany Ambakaka, distrikan’Ikongo ny Alarobia 14 May lasa teo.
Lehilahy iray no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Paositry ny Polisy etsy Ampefiloha
Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra
Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey