no nidiran'ny zandarimaria Imerina Centrale afak’omaly Talata 12 Desambra. Anisan’izany ny ao Beandrarezina, toerana mangina sy kizo, atahoran'ny mpandalo, ao amin'ny fokontany Ambohitsoa Kaominina Beronono distrikan'Anjozorobe.Efa nokarohina hatramin’ ny ela i LEBA sy ny ekipany, dahalo isan'ireo lohany amin'ny fakàna an-keriny tao amin'ny Distrikan’ Ankazobe, Anjozorobe sy Ambohidratrimo no sady mpangalatr'omby sy mpanao halatra mifangaro herisetra, izay mirenireny tsy manana fonenana raikitra. Fantatra fa tao amin'io trano mitoka-monina io no fieren'izy ireo sy famolavolany ny fanafihana rehetra ary fiafenany rehefa avy manao asa ratsy. Notsenain'ireo dahalo tamin'ny tifitra variraraka avy hatrany anefa ireo zandary sy fokonolona rehefa akaiky. Naharitra ora 5 ny ady satria namahatra tsy nanaiky ny hidiran'ny zandary ao anaty trano ireo dahalo, ka dahalo 3 lahy no namoy ny ainy, roa hafa kosa naratra mafy raha tafatsoaka ny namany sasany. Basim-borona miisa roa no tavela, niaraka tamin'ny bala efa nipoaka miisa 17, niampy mohara sy tavoahangy feno ody ratsy.Tsy nisy naratra kosa ireo zandary sy ny fokonolona nifanome tanana.
Pati
Legende : Ireto mitsirara ireto izy telolahy namoy ny ainy !
Tsy mitombina intsony ny sain’ny olom-pirenena manoloana ny firongatry ny tsy
Nongotan’ireo jiolahy ny karakara vy na “grille de protection” tamin’ny
Nitrangana vono olona feno habibiana tany Ambakaka, distrikan’Ikongo ny Alarobia 14 May lasa teo.
Lehilahy iray no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Paositry ny Polisy etsy Ampefiloha
Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra
Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey