nangala-jaza. Naharay antso an-tarobia ny Polisy miasa ao amin’ny Kaomisaria foibe ao Morondava fa misy lehilahy mampiahiahy izay tompon’antoka tamin’ny fangalaran-jaza tany an-toerana tamin’io alina io ihany. Tsy niandry ela ny Polisy fa avy hatrany dia tonga nijery ny zava-misy. Efa vory lanona rahateo ny vahoaka nandritra izany ary efa nanomboka nikasi-tanana ireo lehilahy voalaza fa mpangala-jaza ireo ka saika matin’ny fitsaram-bahoaka ireto farany. Noentina avy hatrany teny amin’ny hopitaly manara-penitra moa izy roalahy ireto nitsabo tena. Rehefa nahazo ny fitsaboana sahaza azy izy roalahy dia noentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny Polisy nanaovana fanadihadiana. Rehefa nanao fanadihadiana moa ny Polisy dia mbola tsy fantatra ny momba momba ilay zaza voalaza fa very koa andrasana izay mety ho tohiny.
Nangonin’i Pati
Legende : Efa naradratra tahaka izao izy roalahy voalaza ho mpangala-jaza ireto
Nahatratra 45 isa tato anatin’ny 5 volana voalohany ny isan’ireo zaza very
Mpamaky trano iray no tratra tao ambany fandriana tany Miadamanjaka,
Ramatoa 52 taona monina ao Ambodilazana, Toamasina II, no nisy nanolana ny alahady teo,
Tsy mitombina intsony ny sain’ny olom-pirenena manoloana ny firongatry ny tsy
Nongotan’ireo jiolahy ny karakara vy na “grille de protection” tamin’ny
Nitrangana vono olona feno habibiana tany Ambakaka, distrikan’Ikongo ny Alarobia 14 May lasa teo.