Nandeha nisakafo ny naman’ilay mpiambina “surveillant titulaire”, ka teo nohararaotin’ireo jiolahy, notsatohan’ireo zava-maranitra ny lohan’io mpiambina io, ary mbola manaraka fitsaboana ao amin'ny hopitaliben'i Toamasina. Lasan’ireo gadra nandositra ihany koa ny basy MAS36 iray. Teo amin’ny fefy akaikin’ny lalamasinina no nitsambikina ireo gadra. Naka an-kery moto an’olona teny an-dàlana avy eo. Noho ny sazy henjana azon’izy ireo no nahatonga an’ireto nitsoaka, raha ny nambaran’ny Lehiben’ny Fampanoavana ao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany ao Toamasina. Nandeha ny fanenjehana ka voasambotra tao Bazarikely minitra vitsy taorian’ny fitsoahany ny iray antsoina hoe Rajoelison Jean Chris na Mainty. Karohina ary efa naparitaka kosa ny sarín-dRafanomezantsoa Raoelison Berthin na Fano sy Alexandre na Babaique. Mbola ao Toamasina Renivohitra, raha ny tomban’ny manam-pahefana satria efa nahetsika ny sakana mivoaka rehetra an’i Toamasina. Nojerena fanindroany ny fonja saingy milamina, raha ny fanambaran’ny manam-pahefana. Fitsoahana efa tsara homana ary mety efa noketrehana hatry ny ela izy ity. Endrika iray maneho ny fahavakisana fonja fa tsy milamina ny tany. Matetika toa mifanandrify amin’ny toe-draharaha mafana eto amin’ny firenena, tahaka ny vanim-potoana ankatoky ny fifidianana, toy ny tany Ikongo nisiana gadra efa ho an-jatony tafavoaka ny desambra 2017, ny teny Tsiafahy izay miisa 5 ny oktobra 2017, tao Ambatondrazaka ny septambra 2017 nisiana gadra 11 tafatsoaka.
NIRARAKOPANA TAO ANATIN’NY 3 TAONA…
Isan’ny vanim-potoana nisiana fahakisana fonja betsaka indrindra ihany koa tamin’izao fitondrana ankehitriny izao. Vao ny febroary 2019, gadra am-polony no tafatsoaka tao Tsiroanomandidy, nibosesika nivoaka, nampiasa ranon-tsakay. Ny aprily 2019, gadra 6 tafatsoaka tao Maroantsetra. May 2020, gadra 3 indray no tafatsoaka tao Ambatondrazaka. Ny jona 2020, nisy fahavakisana fonja ihany koa tao Ambatolampy, ka 6 no tafatsoaka. Nisy fiokona tao amin’ny fonjan’i Farafangana 23 aogositra 2020, nisy ireo voafonja nanafika ny mpiambina ka nahazo basy 1. Gadra 20 no maty voatifitra, 08 naratra mafy, efa ho 50 no tafatsoaka.Hentitra ny baiko nomen’ny minisitry ny fitsarana :tsy maintsy voafehy ny raharaha. Fa isan’ny tsy fahita tao anatin’ny 60 taona ihany koa ny ny tsy nahitana gadra niisa 22 tafavoaka tao amin’ny fonjan’i Miandrivazo ny novambra 2021 teo, araka ny tatitra navoakan’ny Minisiteran’ny fitsarana tamin’izany. Voafonja efa voatsara ny 9 amin’ireo nandositra ireo. Tsy mbola voatsara ny 6. Olona 7 hafa no tafiditra anatin’ireo tsy hita, raha ny tatitra voarain’ny minisitera ny 11 novambra 2021 ireo, taorian’ny fanadihadiana maromaro, ny fijerena ny boky sy ny voafonja rehetra. Tsy vaky fonja no nisy famoahana an-tsokosoko gadra, raha haravona ny voalazan’ny Minisitry ny fitsarana tamin’izany Atoa Imbiki Herilaza.
Toky R
Jiolahy 3 lahy nitondra basy sy antsy no nanafika sy nandroba toeram-pivarotana fitaovana fanamboarana trano na
Tena efa tsy mifidy harapaka intsony ireo jiolahy ankehitriny. Jiolahy miisa 3 no indray nanafika tokantrano iray tao Antanetibe