fandehanan'ny rano maloto teny Antohomadinika teny, kaominina Antananarivo renivohitra. Omaly Alarobia 06 Aogositra maraina no nitrangan'izany. Vaky ny resaka taorian'izany fa nahatsikaritra vehivavy roa, izay tsy mponina eny an-toerana, nihaodihaody teny amin'ny manodidina ny mponina.Nitondra harona plastika mainty izy ireo hoy hatrany ireto farany saingy tsy tao an-tsain'izy ireo ny mety ho anton-diany. Tsy fantatra ihany koa na efa maty ilay zaza na mbola velona no narian'ireo tsy mataho-tody tao anaty dalle. Efa misokatra ny fanadihadiana mikasika ity raharaha mampalahelo ity.
Nangonin'i Pati
Légende : Tao anaty dalle fandehanan'ny rano.maloto tahaka izao ilay tsy manan-tsiny no hita !