dia mpitondra posy nitondra entan’olona nitsoaka indray no nalaza tao Toamasina tao, omaly Alarobia. Raha araka ny fantatra dia posy nalaina mba hitondra ireo entana avy novidiana teny amin’ireo magazay samihafa izy io. Olona avy any Fenerive-Est kosa no tompon’ilay entana. Noentin'ilay posy nitsoaka anefa ny entana rehetra tamin'ny carton maromaro rehefa niverina tampoka naka ny entana adinony tao amin’ilay tranom-barotra iray efa nolalovany ilay tompon’entana. Gina tsy nahateny ity farany vokatr’izany no sady fanina. Raha araka ny fantatra mantsy dia an’hetsiny maro no tontalim-bidin’ireo entana very ireo. Ilay posy tetsy an-daniny fotoana vitsy monja dia nanjavona izay tombanana ho efa nanana olona mpiray tsikombakomba taminy nahafahany niafina haingana ilay tompon’entana. Efa nampandre ny mpitandro ny filaminana moa ity farany.
Pati
Legende : Tsy azo hitokisana intsony koa ny mpitarina posy ao Toamasina amin’izao !
Tsy mitombina intsony ny sain’ny olom-pirenena manoloana ny firongatry ny tsy
Nongotan’ireo jiolahy ny karakara vy na “grille de protection” tamin’ny
Nitrangana vono olona feno habibiana tany Ambakaka, distrikan’Ikongo ny Alarobia 14 May lasa teo.
Lehilahy iray no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Paositry ny Polisy etsy Ampefiloha
Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra
Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey