airtel

Fandriampahalemana

19-mars-2024

Trafika sy varotra zava-mahadomelina

"Haschisch" 3kg sasany sarona tao Nosy Be

Sample post image

Tambazotra mpivarotra sy mpanaparitaka zava-mahadomelina mahery

19-mars-2024

vaika antsoina hoe haschisch no tratra tao Djamanjary Nosy Be ny herinandro teo, araka ny tatitry ofisialin'ny mpitandro ny filaminana. Miisa 7 izy ka teratany Malagasy ny 6 ary teratany Maorisianina kosa ny iray izay vehivavy sambotra taman'izay. Zava-mahadomelina mahery vaika sy anisan'ny lafo satria 4 000 hatramin'ny 4 500 Euros no hividianana azy 01 kilao, ary lafo 60.000 hatramin'ny 90 000Ar no hivarotana ny iray Gramme (1g) ao Nosy Be araka ny vaovao azo. 3kg sasany teo anefa no tratra. Mitohy hatrany ny ezaka ataon'ireo mpitandro ny filaminana amin'ny ady sy fisoroana ary fandravana ireo tambazotra, fa indrindra ny fandikan-dalana izay manimba fiarahamonina ary ady amin'ny fiparitahan'ireo zava-mahadomelina satria anisany mamotiky ireo tanora, hoy Chef d'escadron RACHID Amad Zakaria, Commandant de compagnie territoriale de la gendarmerie nationale de Nosy Be. Tsy sasatra manentana vahoaka ireo mpitandro ny filaminana mba hanome vaovao marina sy ara-potoana mba afahana manambotra ireo mpanao asa ratsy. Manao ranolava ny fisiana fahatrarana zava-mahadomelina mahery vaika satria vao tsy ampy iray volana ihany koa izay no nisian'ny vahatratrana zava-mahadomelina mahery vaika mitenati-bidy 15 miliara Ar. Miharihary hatrany ihany koa ilay fanasokajiana fa isan'ny "plaque tournante" na ivo lehibe hihodonan'ny trafikana drogy i Madagasikara. I Nosy Be manokana, ankoatry ny toerana ara-pizahantany manintona vahiny, dia betsaka ihany koa ny endrika trafika mety hitranga ary betsaka no niseho: voalamena, zava-mahadomelina, eny fa hatramin'ny fiondranana an-tsokosokon'ny olombelona.
Toky R
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Voatifitra teo amin'ny fony ilay tovolahy 26 taona, mpanamboatra trano, teny Antalamohitra,

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra ny halatra entan’olona any amin’ny trano fandraisam-bahiny na hotely ao Fenerive Est Toamasina.

Card image cap
14-mai-2024

Navotsotry ny zandary ilay Sinoa voalaza fa nitifitra basy nahafaty ilay tovolahy 26 taona zaodahiny teny

Card image cap
14-mai-2024

Vao avy nivoaka ny fonja ny 4 aprily 2024 lasa teo noho ny raharaha fanolanana ny taona 2022 ny lehilahy iray 36

Card image cap