Fadintseranana omaly talala 14 janoary 2025 tao amin'ny seranam-piaramanidina Ivato. Mpandeha teratany sinoa telo mirahalahy no nitondra ireto sokatra ireto raha andeha hiondrana tamin’ny sidina ET 852 Ethiopian Airlines manadalo ao Addis-Abeba ho any Shangai. Tratra teo amin’ny fandalovana scanner ireto biby saika ahondrana ireto. Mitohy izany ny fandripahana harena voajanahary, mandeha hatrany ny trafika samihafa ka na efa misy aza ireo fahatrarana maromaro nialohan’izao dia mitohy ny afera maloto. Efa manodidina ny 1500 izany ny sokatra tratra tao anatin’ny iray volana. Hatrany anaty valan-javaboahary misy mandroba toy ny sokatra am-polony tao Tsimbazaza ny volana oktobra izay tsy hita intsony izay tena tohiny sy niafarany. Ny tato ho ato dia ny fahatrarana Depiote iray sy ny ekipany niaraka tamin’ny sokatra 112 teny Antehiroka, ny teratany Tanzanianina nahatrarana 805 tany Mahajanga, lehilahy iray nahasaronan’ny Madagascar National Parc sokatra 68 tany Vohimena Tsihombe, dia io indray koa misy sinoa nahatrarana 105,… Tsy mety tapitra ny fandrobana harem-pirenena eto izay ahiana ny fisiana tsikombakomba avo lenta samihafa. Tsy mahomby ny fiarovana ireo harena voajanahary !
Toky R
Basy vita gasy iray niampy bala miisa 4 calibre 12, no sarona tao anaty kitapo natsipina lehilahy miisa 3 nitsoaka
Nahatrarana rongony 375 fototra sy raviny efa maina afak’omaly Alarobia 05 Febroary tamin’ny 08 ora
Velon-taraina ny mponina eny amin’ny fokontanin’Ambatobe manoloana ny vaky trano na hala-boty