Ho an’iny lalam-pirenena fahaefatra miazo an’i Mahajanga iny dia fantatra fa misy toerana efa misy mpamono olona miandry fotsiny. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina Renim-pianakaviana saika lasibatr’izany dia eo alohan’Ambondromamy no misy io toerana io. Nisy olana tampoka ny fiara nentin’izy ireo ka nijanona ilay vadiny raha ny fitantarany. Mba nivoaka ihany koa izy nandritra izany ka sendra olona iray tsara fanahy. Nambaran’ity farany fa tokony hitandrina izy mivady, indrindra raha mitady rano hanapohana fiara. Eo amin’io faritra misy rano io mantsy no mipetrapetraka miandry tataka ireo mpamono olona koa raha vantany vao misy olona iray mandeha midina maka rano dia torahin’izy ireo vato avy aty ambony, izay vatobe tena mahafaty mihitsy hoy hatrany ity Renim-pianakaviana. Natahotra mafy ity farany nandritra izany ka nampitandrina ilay vadiny mafy mba tsy hihetsika na dia nila rano aza. Niezaka namonjy tanana kely izahay hoy izy vao nitady rano indray. Fotoana fohy taorian’izay anefa hoy izy dia nahare feo izahay fa nisy lehilahy voatora-bato teo amin’io toerana io saingy tsy maty. Miantso ireo mpampiasa lalana mandeha any amin’iny lalam-pirenena fahaefatra iny araka izany izy ireo mba samy ho mailo.
Pati
Nahatratra 45 isa tato anatin’ny 5 volana voalohany ny isan’ireo zaza very
Mpamaky trano iray no tratra tao ambany fandriana tany Miadamanjaka,
Ramatoa 52 taona monina ao Ambodilazana, Toamasina II, no nisy nanolana ny alahady teo,
Tsy mitombina intsony ny sain’ny olom-pirenena manoloana ny firongatry ny tsy
Nongotan’ireo jiolahy ny karakara vy na “grille de protection” tamin’ny
Nitrangana vono olona feno habibiana tany Ambakaka, distrikan’Ikongo ny Alarobia 14 May lasa teo.