azo sambo-belona. Miisa 19 kosa no voasambotra noho ny resaka vaky trano. Olona miisa 44 no tratra noho ny resaka fanendahana sy sinto-mahery. Ny teo amin'ny halatra tsotra kosa dia olona miisa 72 no voasambotra raha 47 kosa no tratra ambodiomby nangalatra. Miisa 08 ireo tratra saika hanatanteraka halatra izay voasoroky ny Polisy. Miisa 02 no tratra amin'ny resaka hala-botry. Olona miisa 08 no tratra noho ny resaka halatra moto. Miisa 03 kosa ireo tratra nangalatra kojakojana fiara. Miisa 17 ireo mpifoka sy mpivarotra rongony tratra. Olona miisa 10 no voasambotra noho ny resaka fanimbana zavatr'olona. Miisa 14 ireo voasambotra noho ny resaka fikasian-tanana sy fandratrana olona, 01 kosa no voatazona noho ny fanompana olona. Miisa 10 ireo nosamborina noho ny fanaovana fihetsika mamoafady eny an-dalambe. Miisa 92 ireo nanaovana fandihadiana fototra ka tsy maintsy notazomina tao amin’ny « violon » rehefa tsy nahitana kara-panondro sy taratasy famantarana teny aminy. Miisa 23 ireo mamo toaka teny an-dalambe ka tsy maintsy notazomina teny amin'ny « violon ». Ary miisa 03 ireo mpangarom-paosy.
Pati
Nahatratra 45 isa tato anatin’ny 5 volana voalohany ny isan’ireo zaza very
Mpamaky trano iray no tratra tao ambany fandriana tany Miadamanjaka,
Ramatoa 52 taona monina ao Ambodilazana, Toamasina II, no nisy nanolana ny alahady teo,
Tsy mitombina intsony ny sain’ny olom-pirenena manoloana ny firongatry ny tsy
Nongotan’ireo jiolahy ny karakara vy na “grille de protection” tamin’ny
Nitrangana vono olona feno habibiana tany Ambakaka, distrikan’Ikongo ny Alarobia 14 May lasa teo.