tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Fandriampahalemana

Tsy milamina i Toamasina Fanafihana 4 no nitranga tao anatin’ny 1 andro

Tsy milamina ny tany ao Toamasina, fa saika isan’andro no isehoana sy ahenoana trangana tsy fandriampahalemana.

06-mars-2023

Sample post image

Ny sabotsy lasa teo fotsiny, tranga miisa 4 no voalaza fa niseho. Ny voalohany, vehivavy iray mpanao gatô no voaroba andro atoandro tokony ho tamin’ny 1ora sy sasany tao Ambolomadinika. Nokapain’ireo tamin’ny sabatra ny tànany nangalana ny poketrany ka naratra be, ary dia lasan’ireo olon-dratsy ny zavatra nokasainy horobaina. Faharoa, vazaha iray nisakafo teo amin’ny Trio Café Bazar Be ihany koa no nendahina lehilahy roa nandeha moto, ka lasany ny kitapo s ny finday. Fahatelo, olona naka vola tamin’ireny kioska teo Bazar be ihany koa no nendahina roalahy nitaingina moto sady mitondra basy. Fahaefatra, teratany karana miisa 2 no notifirin’ny jiolahy teny akaikin’ny Dosane RN2 Bis tany Antanandava, voa teo amin’ny lohany ny iray ka maty rehefa tonga teny amin’ny hopitaly, lasan’ireo olon-dratsy ny sakaosy voalaza fa nisy vola. Ampahany ireo fa tena malaza ratsy tanteraka i Toamasina amin’ny asan-jiolahy mahery vaika, halatra, fanendahana,… Vao ny 25 febroary lasa teo no nisy an’ilay tovolahy skoto sy ny sakaizany niharan'ny tifitra variraraka tao Mangarivotra. Maty ilay tovolahy skoto raha naratra kosa ilay tovovavy. Voasambotra ny alin’ny talata lasa teo ireo olon-dratsy tompon'antoka tamin'izany, ka rehefa nandeha ny fanadihadiana dia ny olon-tian' ity sakaizany teo aloha ihany no tao ambadika, noho ny tsy naneken'ity farany ny fiarahan'izy ireo no anton'izao. Amin’ity volana martsa ity anefa izy ireo no nikasa hanao hanao mariazy kanefa nosomparan'ny mpialona sy ny olon-dratsy izao. Misy amin’ireo tranga ao Toamasina moa no voalaza fa fantampantatra ny fiarahamonina ihany ireo olon-dratsy saingy matahotra valifaty ny ankamaroan’ny olona.
Toky R
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Fandraisana mpitandro filaminana Mila matotra sy hentitra kokoa ny fepetra sy sivana
02-juin-2023

Niparitaka ary niteraka adihevitra teny amin’ny tambajotran-tserasera omaly ny fisiana tovolahy iray vao nivoaka ho zandary, nanapatra fahefana sy nandrahona milaza fa hanapotika fiainana tovovavy iray tsy nanaiky azy,

Card image cap
Polisim-pirenena Olon-dratsy 255 tamin’ireo1442 nosamborina no maty
02-juin-2023

Niasa mafy ny polisim-pirenena nandritra ny taona 2019 ka hatramin’ny taona 2023 no mankaty. Olon- dratsy isan-tsokajiny miisa 1.442 izany hoe no nosamborin’izy ireo ka ny 255 isa tamin’ireo no namoy ny ainy.

Card image cap
Ministeran’ny filaminam-bahoaka Foto-drafitrasa 45 no naorina tao anatin’ny efa-taona
02-juin-2023

Fanorenana foto-drafitrasa 45 isa no natao nandritra efa-taona teo anivon’ny Ministeran’ny filaminam-bahoaka. Nanomboka ny taona 2019 no nisian’izany ka hatramin’ity taona 2023 ity.

Card image cap
Mpanendaka tratra teny isotry Nahitana diana seringue fitsindronana rôrô ny tanany
01-juin-2023

Efa saika mitsindrona roro avokoa ny ankamaroan’ireo mpanendaka ankehitriny.

Voir plus