Teo amoron-dalana anelanelan'i Manjakavaradrano sy Mahatsinjo, distrikan’i Maevatanana faritra Betsiboka no nahitana azy io afak’omaly 13 septambra 2022. Tsy vitan’ny vitan’ny tsy nisy aina intsony, fa rehefa nojerena dia tsy misy taova intsony tao anaty kibony, tsy tao intsony ny fo sy atiny, ary tahaka ny nohendahina ihany koa ny hodi-tavany, raha ny fampitam-baovao sy ny sary avy any an-toerana. Tamin’ny fotoana nahitana azy, dia tsy nisy nahafantatra io tovolahikely maty tamin’ny fomba feno habibiana io, fa raha ny endriny ivelany kosa dia ngita volo, mainty fihodirana, nanao « maillot » maitso ambony ambany ny anatin'ny akanjony, ary « maillot » manga n°7 sy pataloha « vert armée » no ivelany. Nentina tao amin’ny Lapan'ny tanàna Mahatsinjo... Tamin’ny fotoana nanoratana, dia tsy mbola fantatra na efa nalain’ny havany izy io na ahoana. Endrika maneho ny tranga tahaka itony fa tena tsy milamina intsony ny tany ama-monina. Sesilany ny vono olona amin’ny fomba feno habibiana sy hafahafa. Ny taolam-paty misy mangalatra, saingy tsy fantatra mazava izay tena ilàna azy, efa nalaza ny fangalarana maso, manjaka ny fangalarana sy famonoana zaza varira,… Maro no handikan’ny olona azy, ka misy ny milaza fa hanaovana odigasy, sorona hitazonana na hakana fahefana, sorona hitrandrahana harena an-kibon’ny tany, halatra sy fanondranana taova,… Sa sanatria misy mihinana taovan’olombelona ihany koa eto amintsika? Tsy misy tena fanadihadiana mazava sy mari-pototra tena mamaritra ny antony aloha hatreto. Ny tsikaritra kosa, matetika amin’ny toerana misy harena an-kibon’ny tany na toerana be dahalo no tena hisehoany matetika na saika ahitana azy avokoa aza ny faritra rehetra amin’ny ankampobeny noho ny tsy fahafehezana ny fandriampahalemana sy ny fiharatsian’ny fiarahamonina.
Toky R
Nahatratra 45 isa tato anatin’ny 5 volana voalohany ny isan’ireo zaza very
Mpamaky trano iray no tratra tao ambany fandriana tany Miadamanjaka,
Ramatoa 52 taona monina ao Ambodilazana, Toamasina II, no nisy nanolana ny alahady teo,
Tsy mitombina intsony ny sain’ny olom-pirenena manoloana ny firongatry ny tsy
Nongotan’ireo jiolahy ny karakara vy na “grille de protection” tamin’ny
Nitrangana vono olona feno habibiana tany Ambakaka, distrikan’Ikongo ny Alarobia 14 May lasa teo.