Ny alakamisy 20 oktobra 2022 no sarona ity lehilahy ity raha tsiahivina. Malaza mpamaky trano ary tsy mifidy ireo entana hangalariny izy ao anatin’ izany, ka raofiny avokoa izay hitany ao amin’ireo tokan-tranon’olona hidirany. Nanao ny fisavana ny toerana misy azy teny Ampasimandroro Maintirano noho izany ny Polisim-pirenena rehefa nahazo fanampim-baovao mahakasika azy teo amin’ny manodidina. Hita tao amin’ny trano fonenany avokoa vokatr’izany ny karazana entana maro sy kojakoja fampiasa ao an-tokantrano . Marihana fa halatra avokoa ireto tra-tehaka ireto ary nahitana fanamiana mpitandro ny filaminana ihany koa teny aminy izay nambarany fa nangalariny ihany koa. Mitohy araka izany ny fanadihadiana hataon’ny Polisim-pirenena mahakasika ity raharaha ity sy fitadiavana ireo namany hafa.
Pati
Nahatratra 45 isa tato anatin’ny 5 volana voalohany ny isan’ireo zaza very
Mpamaky trano iray no tratra tao ambany fandriana tany Miadamanjaka,
Ramatoa 52 taona monina ao Ambodilazana, Toamasina II, no nisy nanolana ny alahady teo,
Tsy mitombina intsony ny sain’ny olom-pirenena manoloana ny firongatry ny tsy
Nongotan’ireo jiolahy ny karakara vy na “grille de protection” tamin’ny
Nitrangana vono olona feno habibiana tany Ambakaka, distrikan’Ikongo ny Alarobia 14 May lasa teo.