tao amin’ny tribonalin’Analalava mantsy no hitan’ny fokonolona mandehandeha eran’ny tanana amin’izao. Raha araka ny fantatra dia afaka nankalaza tsara ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona ary ny taom-baovao tany amin’ny fianakaviany ity voafonja ity. Tsy miafinafina mihitsy izy eto an-tanàna rehefa mivoaka, raha araka ny loharanom-baovao azo. Tezitra ireo fokonolona manoloana izany satria na dia mpiasan’ny fonja iray aza tsy misy manaraka ity voalaza ho mpamono olona ity. Efa nisy moa ny fitarainana nataon’ny fianakavian’ny maty tamin'ny Minisitry ny Fitsarana ankehitriny, ny Tale Jeneralin'ny fandraharahana ny fonja (DGAP), ny Filohan'ny Fitsarana sy ny lehiben'ny fampanoavana fitsarana ambaratonga voalohany ao Analalava ary ny lehiben'ny fonja ao Analalava saingy tsy mbola nahazoana valiny mahafa-po hatreto.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay voalaza fa voafonja namono olona mivoaka mandehandeha eran’ny tanàna
Lehilahy miisa 06 no tratra nitsindrona sy nivarotra zava-mahadomelina mahery vaika teny amin’iny faritra Morarano sy Androndra iny ny 25 janoary teo.
Avotra soa aman-tsara ilay tovovavy 19 taona nisy naka an-keriny ny 4 janoary 2023 lasa teo tao amin’ny kaominina ambanivohitra Andranomisa, distrikan’Anjozorobe, raha ny fampitam-baovao voaray.
Lehilahy miisa 04 no voasambotra tany amin’ny distrikan’i Mahanoro ny Talata 24 janoary teo rehefa nanondrana sy nitondra taolam-paty tany an-toerana.