airtel

Fandriampahalemana

10-janv-2025

VOKATRY NY HAKAMOANA

Tovolahy roa manangona entana halatra ao an-tokantranony

Sample post image

Betsaka ireo olona tsy te-hisasatra nefa te hiaina amim-pilaminana amin’izao fiainana sarotra izao.

10-janv-2025

Tovolahy miisa roa mbola mirijarijabe no tsikaritry ny fokonolona tao Ambovokely Fokontany Ikianja Kaominina ambanivohitr’ Ambohimangakely nihaodihaody eran'ny tanàna fotsiny ary tsy mba misy anton'asa raikitra hataony nefa koa tsy mba hita manao asa an-tselika mihitsy.Rehefa niantsoana zandary izy ireo dia nosamborina ary nilaza fa manana trano fonenana ka rehefa nosavaina dia hita tao avokoa ireo entana maromaro mampiahiahy izay fantatra fa tsy misy hifandraisany amin'ny tokantranon-dahin'izy roalahy. Anisan’izany ny kojakojan-dakozia, vata fahitalabitra, fera fipasohana, masinina fanamboarana ranom-boankazo…Nandritra ny fisamborana azy ireo dia efa nisy nahatadidy ho isan'ny nanafika ary tena nitondra basy mihitsy tamin’ny datin’ny 01 Janoary 2025 tamin'ny 01 maraina teo izy ireo ka very tamin'izany ny vola 500.000 ar, finday roa ary kojakojan-dakozia.Nisy olona hafa koa tonga nijery azy roalahy ka rehefa nizaha ireo entana dia fantatra fa isan'ireo entana nangalarin'ny jiolahy tamin'ny alalan'ny vaky trano tamin’ny andro atoandro ny vilany miisa 2 sy vilia mélamine maromaro teo. Samy 21 taona moa izy roalahy ireo ary hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela.
Pati
Legende : Ireto izy roalahy tratra !

 

Dans la même rubrique

02-juil-2025

Valolahy no indray hiatrika Fitsarana ao Mahajanga taorian'ny hetsika

Card image cap
01-juil-2025

Miha zava-doza hatrany ny naoty sy toeran’i Madagasikara amin’ny

Card image cap
01-juil-2025

Tena efa mihabiby ny olona sasany ankehitriny. Tovovavy kely iray vao 25 taona

Card image cap