eo anelanelan’ny 20 ka hatramin’ny 30 taona mahery eo ho eo izy ireo ary samihafa ny toerana nahitana azy saingy tsy nifanalavitra. Ny tena nampalahelo ny rehetra dia efa tsy nisy masony sy lelany intsony izy mirahavavy ireto. Ho an’ilay iray hita sy azo sary dia somary ningaina ihany koa ny zipony, an-kevitry ny naolan’ireo tsy mataho-tody raha ny fahitan’ireo manodidina azy. Nisavoritaka toy ny nosintontsitonina ihany koa ny volony izay tena nampahonena tokoa. Efa misy moa ny antso avo natao tamin’ny fianakavian’izy mirahavavy ireto raha efa misokatra kosa ny raharaha mahakasika ny anton’ireto vono olona mahatsiravina ireto. Tsiahivina moa fa alain’ireo dahalo hanaovana fanafody gasy amin’ny ankapobeny ny voamaso, antony mampirongatra sy mampahazo vahana azy io any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy. Na izany aza efa betsaka ihany ireo andian-dahalo tratra tamin’ity halatra voamaso niseho tany an-toerana ity.
Nangonin’i Pati
Legende : Tahaka izao ny nanjo ilay vehivavy
Tsy mitombina intsony ny sain’ny olom-pirenena manoloana ny firongatry ny tsy
Nongotan’ireo jiolahy ny karakara vy na “grille de protection” tamin’ny
Nitrangana vono olona feno habibiana tany Ambakaka, distrikan’Ikongo ny Alarobia 14 May lasa teo.
Lehilahy iray no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Paositry ny Polisy etsy Ampefiloha
Natomboka tamin’ny Alarobia 14 mey 2025 ny fiofanan’ny Rafitra
Nitrangana vono olona feno habibiana tao Nierenana, distrikan’i Brickaville ny 13 Mey