airtel

Fandriampahalemana

16-juil-2026

ZAZA VERY

TANY MORARANO CHROME

Sample post image

Nentin-dRainy, tsy nifanarahana tamin-dReniny

16-juil-2026

Ray aman-dReny tsy nifanaraka no niteraka ilay resaka hala-jaza tany Morarano Chrome, Faritra Alaotra Mangoro. Noho ny tsy fahalalana anefa dia nifanome tanana ny rehetra nitady io zaza io. Naterin’ireo olona tsara sitra-po tao amin'ny Paositry ny Polisy ao Morarano Chrome ilay zaza ny 14 Jolay teo rehefa hita soa aman-tsara. Nandray ny andraikiny ny Polisim-pirenena niaraka tamin'ny Lehiben'ny Boriborintany, ny Ben'ny Tanànan'i Morarano Chrome, ny Sefom-pokontany ary ireo Masera ao Ambaiboho, izay samy niara-niasa tamin'ny fiarovana sy fikarakarana ilay zaza sady nikaroka ny fianakaviany. Nampandrenesina ihany koa ireo Sefom-pokontany rehetra mba hampilaza raha misy mitady zaza very. Noho ny fiaraha-mientan'ireo rehetra voakasika sy ny fanamarinana nataon'ny Sefom-pokontany dia tafaverina soa aman-tsara teo anivon'ny fianakaviany ilay zaza. Araka ny fantatra dia nentin’ny Rainy ilay zaza nefa tsy nifanarahana tamin’ilay Reniny izany, antony niteraka ny sarovorovoro. Sady nomena ireto farany moa ilay zaza no nanarina sy natoro koa izy mivady mba hifampiera sy hiresaka hatrany momba ny menaky ny ainy, hisorohana ny olana mety hitranga tahaka izao. Tsy vao sambany mantsy no nisy tahaka izao teto amintsika fa efa nisy koa teto an-drenivohitra.
Nangonin'i Pati
Légende : Ilay zaza efa tonga soa aman-tsara eo anivon'ny fianakaviany !
 

Dans la même rubrique

22-juil-2026

21 mianadahy no fantatra fa nalefa

Card image cap
21-juil-2026

tanana amin'ny fanjakana ny RALI

Card image cap