airtel

Fifamoivoizana

02-juin-2025

Olan’ny fifamoivoizana eto Antananarivo

Misy vahaolana efa voavonon’ny gaboraraka

Sample post image

Tany amin’ny taona 1987 mbola tratran’ny lamandy 140 Ariary na 700 Franc izahay,

02-juin-2025

hoy ny raim-pianakaviana iray mponin’Antananarivo hatramin’izany fotoana izany, rehefa mampidina ny tongotra eo amin’ny arabe fa tsy amin’ny lalan’ny mpandeha tongotra na «trottoir». Amin’izao fotoana izao anefa lasa maha voatery anao handika lalàna mihitsy ny lalana sasany eto Antananarivo renivohitra satria feno mpivarotra ny «trottoir». Samy lasa mandika ny lalànan’ny fifamoivoizana ho azy ny fiarahamonina. Ny sasany noho ny tsy fisian’ny asa dia voatery eny no mivarotra. Ny mpandeha tongotra moa dia voatery midina eny amin’ny sisin’arabe satria feno mpivarotra eny. Tsy voahaja intsony izao nandritry ny fotoana maro ny hoe «Ny «trottoir» an’ny mpandeha tongotra, ny tsena an’ny mpivarotra, ny arabe ho an’ny fitaovam-pitaterana.». Misy vahaolana efa voavonon’ny gaboraraka, araka izany, raha fintinina ny fanehoan-kevitra mikasika izay olan’ny fifamoivoizana eto Antananarivo renivohitra izay.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

Fatiantoka ho an’i Madagasikara raha tsy mipetraka tsara

Card image cap
05-mars-2026

Ela tsy nisy vahaolana, araraotin'ny fitaterana hanaovana gaboraraka

Card image cap