airtel

Fifamoivoizana

13-mai-2025

RN 4

Sesilany ny loza mahatsiravina

Sample post image

Sesilany ny lozam-pifamoivoizana mahatsiravina namoizana ain’olona.

13-mai-2025

Tany amin’ny RN 4 mampitohy an’Antananarivo sy Mahajanga, loza lehibe 2 samihafa no nitranga ny faran’ny herinandro teo. Nampivarahontsana ny loza nahazo ireo mpianatra avy amin’ny Oniversite tsy miankina iray eto Antananarivo nikasa hanao dia fibezana na « voyage d’étude » saingy nivarina tany anaty hantsana teo anelanan’i Mahatsinjo sy Ankazobe ny fiara nitondra azy ireo ny alahady maraina teo. Vokany, 2 no maty, 29 hafa naratra. Ny takarivan’io alahady io indray ny tokony ho tamin’ny 4 ora sy 45 mn, teo amin’ny tetezana Ampisavakaratra (Faritra Betsiboka), fiara Sprinter iray nitondra mpandeha avy aty Antananarivo ho any Ambanja no nifandona tamin’ny kamiao lehibe iray noho ny fahatapahan’ny frein na tsindry hisatra. Tsy afa-nifehy intsony ny fiara ka nidona mafy tamin’ny vodin’ilay kamiao ilay Sprinter, teo amin’ny tetezana mihitsy no nisehoan’ny loza. Voasaringotra mafy tao amin’ny “devant” ilay mpamily sy mpandeha iray teo akaikiny. Samy naratra mafy izy roa, ka tapatapaka tongotra, ary voatery nosokirina tao anaty fiara nandritra ny ora roa mahery, hoy ny tatitra. Naratra ihany koa ny mpanampy mpamily, raha toa kosa ka tsy nisy aina nafoy, ary tsy dia nahitana ratra lehibe ny mpandeha hafa tao anatin’ilay fiara. Raha ny fanazavana dia mbola niteny sy nahatsiaro tena ireo naratra lehibe nandritra ny fitaterana azy ireo ho any amin’ny toeram-pitsaboana. Ilaina ny fitandremana, ilaina ny fahatomombanan’ny fiara, ilaina ny fanajana ireo fepetra samihafa toy ny hoe : mila fahazoan-dalana ny fiara mitondra mpianatra hanao dia fibeazana, mila mpamily mpanampy raha vao mihoatra ny 400km ny lalana halehan’ny taksibrosy,…
Nangonin’i Toky R


 

Dans la même rubrique