airtel

Fifamoivoizana

13-mai-2025

TAXIBE, TAXI-BROUSSE MAMONO OLONA LAVA

Miantso ny fandraisan’andraikitry ny ATT ny olom-pirenena

Sample post image

Olona10 isan’andro no mamoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika.

13-mai-2025

Vao tamin’ny faran’ny herinandro teo ohatra dia Raim-pianakaviana iray no maty nofaohan’ny taxibe teny Anosimasina Itaosy. Mimenomenona vokatr’izany ny ankamaroan’ny olom-pirenena ary miantso ny fandraisan’andraikitry ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety. Lolona : Tokony hidinana hanaovana contre visite isan’andro mihitsy ny taxibe rehetra eto an-drenivohitra sy ny manodidina mba hahitana ireo tokony mbola hiasa. Toraka izany koa ny taxi-brousse. Be loatra mantsy ireo tsy manao visite teknika fa manome tsolotra nefa manohy ny asa fitaterana ihany hany ka mamono olona tahaka ireny. Fara : Maika ny fandraisan’andraikitry ny ATT manoloana ireny tranga ireny. Tsy tokony hitsitsiana intsony mihitsy ireo fiara tsy manara-dalana indrindra fa ireo manao asa fitaterana. Tokony hanaovana fanentanana ihany koa ny tompon’izy ireo mba tsy ho matim-bola loatra ka ny hitady vola hatrany ihany fa tsy mikarakara sy mikojakoja fiara mihitsy. Ain’olona anefa no lalaovina.
Pati
 

Dans la même rubrique