airtel

Politique

02-oct-2026

14 oktobra

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Sample post image

Hankalazaina miavaka ny 14 oktobra

02-oct-2026

manomboka amin'ity taona 2026 ity. Sokajiana ho "Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana" mihitsy izany ka ny Faritra Sofia no hanombohana ny fanamarihana izay hotanterahina ny 13 sy 14 oktobra ho avy izao. "Fahafahana : Fanavaozana ho amin'ny tena fahaleovantena sy fandrosoana", io no teny faneva anompanana ny hetsika rehetra ho fanamarihana ny 14 oktobra araka ny fampahafantarana nataon'ny Komity nasionaly mpikarakara tamin'ny mpanao gazety teny Mahazoarivo, omaly.
FETIN'NY FAHAFAHANA
Ny fampifandraisana ny vanim-potoana roa samy manana ny tantarany (14 oktobra 1958 sy 14 oktobra 2025), no fototry ny hevitra ijoroan'ny "Fetin'ny Fahafahana". Ny voalohany, nijoroan'ny Repoblika Malagasy. Ny faharoa, nisokafan'ny dingana vaovao teo amin'ny fiainam-pirenena ao anatin'ny Fanavaozana. Tanjon'ny fanamarihana amin'ity taona ity, ny hampifandray ny fahatsiarovana ny lasa, ny fanavaozana ny ankehitriny ary ny fanorenana ny hoavin'ny firenena. Ireo toerana nanasongadina ny tantaran'i Philibert Tsiranana, Filohan'ny Repoblika Voalohany, no handray ireo hetsika lehibe dia Antsohihy, Anahidrano ary Anjiamangirana. Anisan'ny fandaharam-potoana, ny fitokanana efitranon-tsekoly, fitokanana Mozea, ny hetsika sy fampirantiana ara-kolontsaina, ny fitsidihana ny trano fonenan'i Filoha Philibert Tsiranana. Ary hofaranana amin'ny matso lehibe eo amin'ny Seranam-piaramanidina ao Antsohihy. Ny fankalazana ny 14 oktobra, dia fotoana iombonan'ny Malagasy, hahatsiarovana ny làlana nodiavin'ny firenena, hankasitrahana ireo taranaka nifandimby izay nandray anjara tamin'ny fikatsahana fahafahana sy ny fiandrianam- pirenena. Handraisana andraikitra koa amin'ny fanorenana ny ho avy.
Nangonin'i Jean D.
Ny Komity nasionaly mpikarakara ny fankalazana ny 14 Oktobra nitafa tamin'ny mpanao gazety
 

Dans la même rubrique

02-oct-2026

Nitohy tamin’ny lalao ara-panatanjahantena omaly

Card image cap
02-oct-2026

Havadika ho asa mitera-bokatsoa

Card image cap
01-oct-2026

fa ilaina ihany koa ny goaika antitra ! »

Card image cap