airtel

Politique

07-févr-2024

15 taona katroka ny raharaha 07 febroary

Tsy tafarina fa vao mainka rendrika ny firenena

Sample post image

07 febroary 2009-07 febroary 2024, feno 15 taona katroka anio ny raharaha 07 febroary

07-févr-2024

nisiana ra mandriaka teny Ambohitsorohitra nandritra, tao anatin’ny toe-draharaha politika nafana. Ivon’ny Fanonganam-panjakana tamin’izany fotoana izany, nihalovan’ny alatsinainy mainty ny 26 janoary 2009 nisiana fandorana sy fandrobana fananan’ny mpitondra tamin’izany sy fananan’olon-tsotra maro, izay nanaratsy endrika ny volomboasary izay nilaza fa hanao revolisionina, ka tsy maintsy nikotrehana fandatsahan-dra mba hahafahana manameloka ny mpitondra tamin’izany, raha ny voaritra ao anatin’ilay horonan-tsarin’ny fampahalalam-baovao vahiny ahitana ireo mpanao politika nikononokonona azy. Betsaka ihany koa ireo ampamoaka nataon’ireo mpanao politika sy manamboninahitra niara-dia tamin-dRajoelina tamin’izany. Ambangovangony izay fa ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe : 15 taona aty aoriana, tena tafarina sy revolisionina madio nentina nanavotana sy nampandrosoana firenena tokoa ve no natao tamin’izany ? Nandroso sa nihemotra i Madagasikara ? Na inona na inona holazaina dia tsy tafarina fa vao maika aza rendrika ilay firenena. Hita taratra amin’ny lafin-javatra rehetra io : fahapotehana ara-toekarena, ara-toetsaina, ara-piarahamonina, ara-pitantanana,… miseho amin’ny endriny maro. Rava ny fifampatokisana na anatiny na eo anatrehan’ny sehatra iraisam-pirenena izay tsy mety tena tafarina mandrak’izao, hany ka mihena ny tena mpampiasa vola madio, mihena ny fampiasam-bola vahiny mivantana na «IDE »,… fa « investisseur sac à dos » na mpandraharaha mpandroba hambotry ny harena eto no betsaka kokoa. Manao randra-tarihina mandrak’izao ny tarazon’ny fambotriana sy fandrobana harem-pirenena toy ny boaderozy, ny volamena, ny vatosoa,… hany ka ny olom-panjakana mihitsy no voarohirohy toy ny fisiana governora lasa any am-ponja, volamena any anaty biraom-panjakana manjavona, tanan-kàvanana teo alohan’ny filoha izay vao niakatra fitsarana any ivelany noho ny kolikoly avo lenta momba ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany,… Ireny ve tsy tarazon’ny fitrandrahana vy tany Soalala izay tsy nisy fangaraharana tamin’ny teteamita ? Nitombo ny tsy maty manota, firenena ratsy tantana, kolikoly avo lenta,… Nihalalina ny elanelana misy eo amin’ny manan-karena sy ny mahantra izay efa 80,7% mahery ankehitriny ka ny sokajy manana fari-piainana antonony na « classe moyenne » dia mivarina sy manjavona lasa any anatin’ny mahantra farahidiny. Mitohy ny fahapotehana sy faharavana ! Tsy finiavana hanakiana, ary tsy resaka fankahalana olona na vondron’olona fa tena faharavana no hita hatreto, ary tsy tafarina mandrak’androany. Ny tena zava-doza anefa dia ny fiezahana handiso ny tantara sy hanarontsarona izany amin’ny politikan’ny fanabadoana sy ny sehoseho ivelany sy sarintsarim-pandrosoana satria raha zaza telo taona izay mbola tsy nahalala tantara tamin’izany dia efa tonga olom-pirenena feno afaka mandray anjara amin’ny fifidianana ankehitriny.
Toky R
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Kaominina Ambohitrabiby, Talata Volonondry ary Ambohimalaza no notsidihin’ny kandida laharana

Card image cap
15-mai-2024

Nanao fanambarana manokana ny «miaraka amin’i Maman Olga Rajoelina»

Card image cap
15-mai-2024

Nohamafisin’ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra na ny CAF ny tsy fanomezana fankatoavana na ny

Card image cap
15-mai-2024

Tsy tokony hilavo lefona manoloana ny olana maro misy fa indrindra ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena

Card image cap
14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap