airtel

Politique

17-mars-2025

16 taonan’ny fanafihana lapa, fialan-dRavalomanana,…

Nandroso be ve izao i Madagasikara taorian'ny 2009 ?

Sample post image

Ankoatra ny fahatsiarovana ny tolom-piavotana tamin’ny 1947, anisan’ny ahatsiarovana

17-mars-2025

tantara mangidy nanamaloka ny fiainam-pirenena ihany koa ny martsa 2009. Feno 16 taona katroka anio 17 martsa 2025 ny nandaozan’ny Filoha tamin’izany Atoa Marc Ravalomanana ny Lapam-panjakana sy ny fahefana maha Filoham-pirenena, rehefa nangotraka ny fanonganam-panjakana, nanafihana mivantana ireo lapa. Ny alin’ny 15 martsa 2009, nisy bala afomanga nirefodrefotra nankany amin’ny lapam-panjakana Iavoloha avy teny amin’ny “bypass” mba hampitahorana ireo olon-tsotra sy miaramila izay niambina teny Iavoloha. Ny 16 martsa 2009, notohanan’ny BRDM avy amin’ny zandarimaria sy ny RAS ary koa ireo miaramila tao amin’ny CAPSAT ny Lapan’Ambohitsirohitra. Nisava ny lapa rehetra teto Antananarivo ireo miaramila atokisan'i Andry Rajoelina, nokarohina avokoa ny birao sao mbola miakatra lapa ny Filoha Marc Ravalomanana. Tetsy andanin’izay dia nisy antso tamin’ny onjam-peo niangavy ny mponina manodidina ny Lapan’ny Fanjakana Iavoloha mba hiala amin’io toerana io satria efa ho avy ny fanafihana. 17 martsa 2009, voatery nandao ny lapam-panjakana Iavoloha ny filoha Marc Ravalomanana, ka tamin’ny fanambarana nataony dia nanolotra ny fahefana ho an’ny « Diréctoire Militaire »; nisy taratasy nankinina tamin’Atoa Tiebelé Dramé, solontenan’ny Firenena Mikambana teto Madagasikara. Raha nifandray tamin’ity farany ny mpikambana ao amin’ny FFKM, dia nikarakara fivoriana teny amin’ny Episcopa Antanimena. Fihaonana nahitana ireo mpitondra fiangonana 4 mianadahy ao amin’ny FFKM, Vice-Amiral Raharison Ramaroson Hyppolite, ny Jeneraly Ramananarivo Claude, Jeneraly Rabarisoa Ranto, ny ambasadaoron'i Etazonia, Tiebelé Dramé, Andry Rajoelina, Ratsirahonana Norbert Lala, Monja Roindefo, Ny Hasina Andriamanjato, Kolonely Rakotonandrasana Noël, Kolonely Ndrianarijaona André,… Raikitra ny rombo nataon’ireo miaramilan-dRajoelina teny amin’ny Episcopa, voatery nanao fanambaràna ny Jeneraly 3 izay nandray ny fahefana ny hariva, fa hanome fahefana feno an'i Andry Rajoelina, hitarika tetezamita. Nanameloka izany ny sehatra iraisam-pirenena, nanameloka ny fanonganam-panjakana teto Madagasikara sy ny fanafihana lapam-panjakana. 16 taona aty aoriana, efa miadana be ve ny vahoaka Malagasy ? Tsy misy jadona sy ampihimamba intsony? Efa sangany aty Afrika sy isan'ireo firenena matanjaka indrindra eran-tany ? Efa manavotra izao tontolo izao tokoa ? Nampilamina ny Firenena ny fifanandrinan’olon-droa tsy mety tapitra sy tohizana mandrak’ankehitriny?
Toky R

 

Dans la même rubrique

30-avril-2026

Handeha ireo dingana samihafa, efa misy raharaha sy fitoriana any amin’ny Bianco…

Card image cap
30-avril-2026

Natao ny tolona noho ny tsy fitiavana

Card image cap
30-avril-2026

ny fanabeazana politika sy maha olompirenena»

Card image cap
30-avril-2026

Mihenjan-droa ny tady eo amin’i Madagasikara sy Lafrantsa

Card image cap
30-avril-2026

federalista mandritra ny fikaonan-doham-pirenena

Card image cap
29-avril-2026

Nampanantsoina ny Ambasadaoro Frantsay,

Card image cap